airtel

Actualités

29-janv-2024

Lehilahy nilaza nisy nandrahona hatao sorona

Faty efa trobaka ny tendany no novantanin’ny havany

Sample post image

Lehilahy iray izay voalaza fa handeha hitrandraka harena ankibon’ny tany (mercure),

29-janv-2024

no hita faty tao anaty toerana iray any Sakalalina Ihosy ny sabotsy teo, araka ny vaovao avy an-toerana. Mbola nahavita niresaka tamin’ny vehivavy iray izay voalaza fa sakaizany ity raim-pianakaviana ity nialohan’ny tsy nahitana azy intsony, ary nilaza ho misy mikasa hanao sorona ny tenany, nefa tsy nahita ny lalan-kivoahana tao amin’ilay toerana, hoy ny vaovao notaterin’ny mpanao gazety iray ao Fianarantsoa. Taorian’izay dia tsy azo antso intsony izy. Teo vao nikoropaka ny fianakaviany ka nidina tany nikaroka azy. Rehefa natao ny fikarohana dia nahita fatin’olona ny fokonolona ary efa nataon’izy ireo tao anaty rotsan-kazo maro, satria nambara fa efa simba ny razana. Niresaka momba ny havany tsy hita ireo fianakaviany, ka voamarina fa izy ilay faty efa nofonosina tsilena sy rotsan-kazo. Nentin’ny fianakaviany ho alevina any Fianarantsoa ny razana, ka teo am-pandevenana vao nojerena, ary teo no nahitana fa nisy trobaka be roa ny tendany. Olona 4 no efa nosamborina atao famotorana, ary anisan’izany ilay vehivavy sakaizany, hoy hatrany ny vaovao avy any an-toerana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap
15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap