Nanamafy ny fahavononan’i Inde hiara-hiombon’antoka amin’i Madagasikara hanatanteraka ireo asa fampandrosoana sy ireo vinan'ny fitondram-panjakana moa ity Masoivoho ity, hoy ny tati-baovao voaray. Vonona hatrany ny fanjakana indianina hizara ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatra maro samihafa toy ny haitao ara-kajy mirindra, ny indostrian’ny fanamboarana sy fikarohana fanafody, ny fambolena sy fiompiana. Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara tamin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ihany koa ny marainan’io ny masoivoho vaovaon'i Israely, Eliav Belotserovsky. Maro ireo lalam-piaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Israely izay nodinihana nandritra izao fihaonana izao ho fanamafisana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, ny fahasalamana, ny teknolojia momba ny rano, ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany sy ny hampitomboana ireo mpizahatany israelianina ho tonga hitsidika an’i Madagasikara. Eo amin’ny lafin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana kosa dia nanambara ity masoivoho vaovao ity fa hisy ny manampahaizana nahazo ny loka Nobel amin’ny Simia ho avy tsy ho ela eto Madagasikara mba hifampizara traikefa sy voka-pikarohana eny anivon’ny oniversite Malagasy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Fandraisana ireo masoivoho miisa 2 teny Iavoloha
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,