Andian'olona avy any Emitray nirongo fiadiana toy ny famaky sy lefona samihafa no tonga tao Besakoakely Esira ka raikitra ny gidragidra. Resaka vono olona nataon' olon-tsy fantatra teo aloha teo no voalaza fa niandohan'ny raharaha, izay nambaran'ireo fokonolona avy ao Esira fa olona avy ao Emitray no nahavanona izany, ka izay nifanafika sy nifamono izao ny roa tonta. Vokany, olona 6 no maty, ny 5 avy ao Esira ary ny 1 avy any Emitray. Olona maro no naratra, trano miisa 7 no may ary trano hafa miisa 4 nirodana, ary tao ny nesorin’ireo mpanafika ny tafony. Tsy naharavona ny disadisa ny ben'ny tanàna sy ny Jado tao an-toerana, ary efa eo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha. Henjana ny toe-draharaha tahaka izao satria ankoatra ny tsy fandriampahalemana sy ny fahantrana mamono olona, dia mbola mifamono ihany koa ny Malagasy. Matoa tonga amin’izao, efa lonilonim-piarahamonina lalina, mety niotrika an-taonany marobe, mety mifamatotra amin’ny tantara, mifandraika amin’ny lafiny ara-poko sy fihaviana,… Tsy dia tranga vaovao any amin’iny faritra iny rahateo ny tahaka izao, raha tsy hampahatsiahy afatsy ilay niseho tao Befihamy Kaominina Marotsiraka, ao anatin’ny distrikan’Amboasary Atsimo ny oktobra 2019 nisiana fanafihana miendrika asan-jiolahy, kanefa lonilonim-piarahamonina teo amin’ny foko Bara sy Tandroy no tena antony. Olona miisa 600 mahery izay no nanafika ny tanàna mpifanefitra taminy, nanao herisetra sy habibiana ka olona maherin’ny 30 no maty. Raikitra ny fandoroana tanàna sy fandrobana, ka omby miisa 300 mahery no lasa,… Tany amin’ny novambra 2019 dia efa nisy ny fombafomba natao namindranana ny adin’ny Bara sy ny Tandroy ka asa na nampilamina ny tany na mbola misy ny otrik’ady tsy levona ka mbola tarazony na endrika mitovitovy aminy itony niseho tany Esira itony indray? Mila fandinihana lalina mba hahafahana mamongotra tanteraka ny lonilony satria zava-doza izany Malagasy mifanafika sy mifamono ankitsirano izany, izay any Afrika no tena ahenoana azy matetika na misy tarazo kely ihany aza aty amintsika.
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny