airtel

Actualités

15-mars-2023

Actualités

Lova 100 taona mahery misy mikasa handrodana Hanao ny fanadihadiana izahay, hoy i Naivo Raholdina

Sample post image

Nangataka ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, filohan'ny vaomeran 'ny fananan-tany eny anivon'ny antenimeram-pirenena ireo mponina ao Ampefy,

15-mars-2023

fokontany Ambatonakanga, noho ny fikasan'olona haka ny tanin-drazany izay lovany no sady efa nohajariany 100 taona mahery, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Tamin'ny haino aman-jery no nanaovany antso ka tonga nidina teny an-toerana ity solombavambahoaka ity sy ny mpiara-miasa aminy nihaino ny fitarainana sy antson'ireo mponina ireo rehefa nahazo tso-drano ihany koa tamin'ny solombavambahoakan'i Soavinandriana noho ny tsy naha teny an-toerana azy fa nisy iraka notanterahany. Amin'ny maha solombavambahoakan’i Madagasikara ny tenany koa dia nampanantena ireo mponina izy fa hanao ny fanadihadiana rehetra ary tsy hanaiky ny tsindry hazolena sy fanambakana an'ireo mponina eny ambanivohitra ary hanoro hevitra azy amin'ny tokony hikarakarany ny antotan- taratasy rehetra mba ho ara-dalana sy ara-drariny. Manao antso amin'ireo mikasa hividy sy handrodana ireo tranon’ireo mponina ireo i Naivo Raholdina mba hijery ny ara-drariny ka tsy ho voafitak'ireo mety nahavita taratasy an-tsokosoko sy tamin'ny fanambakana, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap