airtel

Actualités

09-juil-2026

Loza tao Ambositra

May ny Tranom-panjakana

Sample post image

nefa tsy misy "Pompiers"

09-juil-2026

Nitrangana haintrano tao amin'ny Fokontany Andrefantsena Kaominina Ambonivohitra Ambositra Renivohitry ny Faritra Amoron'i Mania, omaly atoandro. Tranom-panjakana izay fonenan'ireo mpiasan'ny Kaominina Ambositra faharoa no nirehitra, vokatry ny ankoson'aratra. Ny mpiara-monina sy ny mpitandro filaminana no nifanome tanana tamin'ny famoahana ny entana sy famonoana ny afo. Soa fa tsy nisy ny naratra sy aina nafoy ary efa voafehy ny afo. Tonga nijery ny zava-nitranga ny Lehiben'ny Faritra Amoron'i Mania Rakotomalala Hari-Liva, ny Prefet n'Ambositra ary ny Ben'ny Tananan'Ambositra faharoa. Nankahery ireo niharam-boina izy ireo. Nanao antso avo amin'ny fitondram-panjakana ny Lehiben'ny Faritra ny mba hisian'ny Sampana Mpamonjy voina na "Pompiers" ao Ambositra, hisorohana ny loza mitranga tahaka izao.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap
22-oct-2026

Nametraka fitoriana ireo mpiray fihaviana aminy

Card image cap
22-oct-2026

Mikatona 2 volana ny fanjonoana,

Card image cap
22-oct-2026

notolorana mari-boninahitra

Card image cap
21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap