airtel

Actualités

28-août-2023

Loza tetsy Mahamasina

7 amin’ireo ankizy 10 mbola tsy mahatsiaro tena

Sample post image

Mbola mahatratra 18 isa hatramin’ny omaly ireo olona naratra tetsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina tamin’ny zoma teo

28-août-2023

no manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefoloha. 12 ka hatramin’ny 20 ny salan-taonan’izy ireo ka ankizy no betsaka raha araka ny fanadihadiana natao. Tapaka, voamafy tany amin’ny lohany sy ny tratrany ny ankamaroan’izy ireo izay mety hila fandidiana ny ankamaroany. Na izany aza dia fantatra fa ny fitondram-panjakana no handray an-tanana izany. Eo an-daniny velon-taraina ihany ny ankamaroan’ireo fianakaviana manana ny marary noho ny fahasahiranana tsy maintsy iainana isan’andro na dia saran-dalana hivezivezena sy ny adin-tsaina eo am-piatrehana ny fitsaboana ilay marary ihany aza. Tsiahivina moa fa ny 7 amin’ireo zaza miisa 10 lasibatra hatramin’ny omaly hariva nahazoana ny vaovao no mbola tsy mahatsiaro tena. Vokatry ny dona mafy nahazo azy ireo avokoa no mahatonga izany. Ny ambiny kosa efa mba metimety. Miisa 97 moa ireo naratra tamin’iny andron’ny Zoma fotoana nanokafana ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 notanterahina tetsy Mahamasina tamin’ny Zoma raha miisa 12 kosa ireo voalaza fa namoy ny ainy.
Pati
Legende : Ankizy ny ankamaroan’ireo mbola manaraka fitsaboana etsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap