airtel

Actualités

29-août-2023

Loza tetsy Mahamasina

Resaka sary sy serasera no nilalaovana aim-bahoaka?

Sample post image

Samy miandry izay ho tohin’ilay rahararaha fifanosehana tetsy Mahamasina hy tolakandron’ny zoma 25 aogositra 2023 ny olom-pirenena.

29-août-2023

Efa nisy ny fampahafantarana nataon’ny mpitandro ny filaminana, fa misokatra ny fanadihadiana ary izany no mamaritra hoe: sanatria fanakorontanana efa nomanina sy niniana natao. Hafahafa ihany mantsy ny mandre olom-boafidy ao anatin’ny Fitondrana IRD izay milaza fa nahita olona 4 nitarika ny fanakorontanana, ary ananany sary sy porofo. Toa nampidirana resaka fanakorontanana politika mba hanilihana lava amin’ny tsy fahombiazana? Ny soramy manitikitika ny saina etsy andaniny dia ny hoe: vao maraina dia efa nilahatra ny olona na dia tany amin’ny tamin’ny 4ora tolakandro latsaka aza vao hanomboka ny lanonana. Midika fa betsaka no liana satria zava-baovao no ho hita, ary an-taonany maro vao ho tafaverina eto indray ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy izay 3 tamin’ireo 11 izany izao no noraisintsika, ka ny 1990 sy 2007 isika no nandray izo 202 izao indray. Maro ny vavahady fampidirana, fa ny sarambabem-bahoaka izany tamin’ny ankampobeny, dia taty amin’ity toerana nisehoan’ny loza ity no nampidirana azy. Nahoana no navela hivangongo be ny olona vao nisy fampidirana? Sao sanatria nentina nanaovana serasera hoe: ireo no vahoaka fa tonga? Ireo ny vahoaka fa liana? Fahita matetika rahateo ny toa filalaovana ny tranga toa ireny ho fanohanana ny Filoha sy ny Fanjakana am-perin’asa, ary nahatarafana izany ny tranga tany Toliara nialohan’izao, izay tafiditra tao anatin’izany ny fitsenana ny afon’ny lalaon’ny Nosy. Nezahina novoizina an-tserasera fa mbola tsy mivadika ny Filoha Rajoelina ny vahoakan’I Toliara. Tamin’ny 6ora maraina dia efa nisy nilahatra tetsy Mahamasina, tamin’ny 12 ora no voafaritra fa hanokafana ny vavahady. Ny nanatrika dia misy maneho, fa tena nanaja ny fandaminana ireo tonga aloha, izay efa niaritra teo ora maro, betsaka ny tsy tafiditra, kanefa ny eo misosoka ihany,… Inona marina no tonga dia nampidirana tsikelikely ny olona nanomboka ny tapany maraina? Efa fantatra fa tsentsina sy tsy atonona intsony koa nahoana no tsy nomena toromarika hiparitaka ireo vahoaka? Sao sanatria nolalaovina tany amin’ny paikadin-tserasera hoe: aleo mihitsy aloha hilahatra sy hivangongo ny vahoaka mba hanehoana fa tena resy lahatra sy liana amin’ny zavatra hitranga ny olona? Ahiahy tsy hihavanana ihany izany, fa ny irariana dia tena ho tonga hatramin’ny farany ny fanadihadiana, ary tena hihatra amin’ireo tompon’andraikitra tamin’iny loza mahatsiravina nahafatesana olona am-polony mahery sy naharatrana efa ho an-jatony iny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap