airtel

Actualités

23-janv-2023

Actualités

Loza voajanahary Tokony ho efa niomanana fa tsy hanadiovan-tena indray

Sample post image

Mitombo indray ny krizy iainan’ny firenena noho ny fandalovan’ny loza voajanahary.

23-janv-2023

Maro ireo traboina amin’ny toerana nolalovan’ny rivodoza satria manodidina ny 8000 ireo olona traboina, ankoatra ny namoy ny ainy izay tsy latsaky ny telo. Ankoatra ny faritra dibo-drano, betsaka ny fotodrafitrasa simba, ny làlam-pirenena sy ny làlam-paritany moa potika ny ankamaroany noho ny tsy fisian’ny fikojakojana, hany ka sarotra ny fanarenana. Kisehoseho politika no betsaka, fa ny tena fanaovana asa tsy hita taratra, hany ka vahaolana vinjimaika toy ny fitrongitrongisana izay tena simba mba ahafahana mandeha aloha ny tena misy. Irariana mba tsy ho atao fitaovana fialana bala hatrany, izay hita sy tsikaritra hatrany tamin’ny fomba firesaky ny fitondrana ny fandalovan’ny loza voajanahary. Fandre matetika teto ny fialana bala tamin’ny krizin’ny coronavirus, ny ady any Ukraine, ny fandalovan’ny rivodoza. Efa vanim-potoana lalovan’ny firenena foana ny rivodoza, ary tokony efa nahaizana naka lesona ny tranga hatramin’izay. Misy rahateo ireo sampan-draharaha ara-panjakana manokana efa natokana hiantsoroka an’izany, ary eo ihany koa ny Minisiteran’ny mponina izay miahy ireo sy mijery ireo lasibatra. Tsy manamaivana ny loza mandalo, saingy ny irariana dia hahavita an-tsakany sy andavany ny asany amin’ny famonjena ireo vahoaka tena lasibatra mivantana ireo sampan-draharaha sy departematam-panjakana voakasika. Misy minisiteran’ny mponina eto, ary misy Minisiteran’ny varotra sy fanjifana ihany koa izay tokony hanamafy ny fanaraha-maso ny fanararaotana mihoampampana atao amin’ny mpiray tanindrazana. Fahita mantsy, ohatra, ny fampidanganana vidin’entana rehefa misy ny rivodoza, toy ny niseho tany Sambava ny faran’ny herinandro teo izay nisy nampiakatra vidim-bary hatrany amin’ny 1500Ar ny kapoaka. Mila antoka ihany koa ny famatsiana entana ilaina andavanandro indrindra ny sakafo amin’ny faritra manerana ny Nosy. Manana adidy ihany koa ny Ministeran’ny asa vaventy eo anatrehan’ny làlana potika izay mampananosarotra ny famatsiana. Efa misy ireo Minisitera sy sampan-draharaham-panjakana samihafa miandraikitra ny raharaha fandalovan’ny rivodoza ka sao izany indray no hatao fialana bala amin’ny tsy fahombiazana sy ny fitotonganan’ny toekarena sy ny sosialy izay efa tena mampiteny ny moana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Namoahana fanairana na "Alerte orange" ny tafika, raha ny taratasy miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera,

Card image cap
22-sept-2023

Nohavaozina tanteraka ny biraon’ny kaominina Ambohidrapeto, distrikan’Atsimondrano.

Card image cap
22-sept-2023

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany amin’ny distrikan’i Sambava roa volana lasa izay.

Card image cap
22-sept-2023

Lehilahy roa 43 sy 54 taona no nidoboka am-ponja rehefa tratra teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ,

Card image cap
22-sept-2023

Mitombo ny isan'ireo teratany vahiny hita ho mifampizara tsena amin'ny mpivarotra amoron-dàlana tato ho ato, raha ny vaovao niparitaka omaly.

Card image cap
22-sept-2023

Tsy mifidy tany ny fahaizana manazatra ny baolina kitra! Tena mamiratra any Seychelles i Tsiahavahana Solofo Ramarolahy.

Card image cap