airtel

Actualités

14-nov-2025

Madagascar Airlines

«Vao mainka nampavesatra ny trosan’ny Air Madagascar»

Sample post image

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

14-nov-2025

taorian’ny krizy politika 2009 no nanombohan’ny fitotonganan’ny raharaha Air Madagasikara, hoy ny solontenan’ireo mpiasan’ity kaompania ity, Alain Rabetrano. Im-betsaka izahay, hoy izy, no efa niteny fa tsy mety amin’i Madagasikara ireo fiaramanidina ireo. Fiaramanidina efa ho faty ireo no mbola sady lafo be ny fikarakaràna azy. Rehefa niara-niasa tamin’ny Air Austral ny fanjakàna dia mbola nisy koa ny fatiantoka tafiditra tao anatin’izay satria tsy tody hatramin’ny farany sy tsy namokatra ny fiaraha-miasa tamin’i Air Austral. Nony lany filohan’ny repoblika i Andry Rajoelina dia tafiditra tanaty COVID 19 indray isika. Krizy politika sy ekonomika no nisy. Nambara tamin’izay fa niharana fatiantoka ny orinasa. 100 tapitrisa Dolara no voalaza fa fatiantoka fa rehefa hanarina ny orinasa, raha toa ianao ka tena fitondràm-panjakàna nanana izay finiavana marina hanarina, dia tokony nandray anjara mavitrika izany ianao. Tsy misy dikany izany hoe hametraka orinasa hanaovana fanofàna izany ianao. Izay tsinona no nambara ho anton’ny Madagascar Airlines fa inona moa no antony tsy nanarenan’ny fanjakàna tsotra izao ny Air Madagascar? Novoizina foana ny hoe tsy mipetraka intsony ny fitokisana eo amin’ny orinasa Air Madagascar sy ny banky iraisampirenena na ny toy izany. Tsy nino an’izany aloha izahay. Rehefa orinasa iray no tokony narenina dia izay no tokony natao fa tsy orinasa miisa 2 no lasa miaraka jerena. Amin’io lasa voatery handoa ny hofan’ilay iray koa. Tsy lojika mihitsy. Efa nametraka izahay fa nanana olona ny Air Mauritus fa nijanona ho Air Mauritus ihany. Ny fanjakàna ny azy tena nanampy tamin’ny fanarenana. Maninona ny fanjakàna malagasy tsy nanampy ny Air Madagascar nefa ny zavatra napetrany izao tsy tafavoaka mihitsy? Vao mainka nampavesatra ny trosan’ny Air Madagascar ny Madagascar Airlines. Vao mainka nitombo avo 3 heny ilay izy fa tsy nijanona ho 80 tapitrisa Dolara na 100 tapitrisa Dolara noresahina. Napetraka hoe ho tantanan’ny Syndic ny Air Madagascar ary io izany no tokony hoe handoa ilay trosa. Rehefa atao izany ny fandinihana dia kasain’ny Madagascar Airlines ho alaina fotsiny ny Air Madagascar. Ny didim-pitsaràna nametrahana ny PCAP na «Procédure collective d’apurement de passif» miaraka amin’ny nananganana ny Madagascar Airlines mihitsy aloha izany no kianinay voalohany. Mangataka izahay hoe foano tsotra izao io! Tsy misy ilàna an’io. Maromaro ny tsy fanarahan-dalàna hitanay ka dia hametraka fitoriana izahay, noho izany. Rehefa tafapetraka io dia tsy maintsy andeha ny fitsirihana na «audit» isan-karazany ary hisy koa ny didim-pitsaràna hivoaka. Samy miomana hijinja ny nafafiny no dikan’izay, hoy hatrany ity solontenan’ny mpiasa ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap