tia tanindrazana

Parution du Mardi, 6 Juin 2023

airtel

Actualités

Madagasikara 2023 Vinavinaina ho 4,2% ny fitomboan’ny harin-karena

Vinavinaina hiakatra 4,2% ny tahan’ny fitomboan’ny harin-karena amin’ny 2023. Ny fivoaran’ny toe-draharaha maneran-tany sy nasionaly dia nahazoana vinavina vaovao ho an’ny fitomboan’ny harikarena ho 4,2% ny taona 2022

17-nov-2022

Sample post image

io, ary vinavinaina ho 4,9% kosa ny tahan’ny harin-karena faobe ny taona 2023 araka ny voalaza ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha 017/2022 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna ho amin’ny taona 2023, hoy ny fanazavana. Araka ny fanazavana dia « Ireo fampiasam-bola maro isan-karazany izay hanomboka na hifarana ny taona 2023 (fampiasambola ataon’ny fanjakana ary iarahany amin’ny sehatra tsy miankina) dia tokony hahatratra ny vina napetraka. » Ireo tetik’asa fanajariana sy fanondrahana ireo faritra fambolena dia tokony hampiakatra ny tahan’ny famokarana ara-pambolena, toy ny vary, izay vinavinaina hiakatra 9% ny famokarana azy. Nambara fa hotohanana amin’ny tahan’ny fampiasam-bola manodidina ny 25,3% an’ny harikarena faobe, 12,2% avy amin’ny fanjakana foibe ary 13,1% avy amin’ny sehatra tsy miankina. Ny famatsiana ny fandaniam-bolam-panjakana dia iantohan’ny fampidiran-ketra anatiny izay mahatratra 12,1% ny tahany ny taona 2023, ary ireo fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia hahatratra 6,4% ny tahany. Nambara fa ny fanohizana ireo hetsika fametrahana indostria dia ahafahana mampihena ny fiankinan-doha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Indostria halefa amin’ny labozia amin’ity delestazy lazaina fa amin’ny 2028 vao mety ho foana ? Nambara fa ny fanamboarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa fitaterana sy ny serasera ary ny fampandrosoana sy fanamorana ny tolotra angovo kosa dia hanome vahana kokoa ireo fampiasam-bola eo amin’ny sehatra tsy miankina. Manao ahoana ny resaka angovo, ny fanjakana tsara tantana, ny ady amin’ny kolikoly, ny filaminan’ny tontolo ara-pandraharahana na “climat des affaires”, ny filaminana politika,… Tena misy antoka mazava ve ny amin’ireo? Ho an’ny harena an-kibon’ny tany manokana dia mandrisika ny fampiharina ny lalana vaovao mifehy izay sehatra izany ity volavolan-dalàna ity, ary izany dia mba hahafahana mamelona indray ny asa sy ny tombony azo amin’io sehatra io 2023 sy hisarihana ireo mpamatsy vola. Hatreto aloha dia ny mpanao trafika no tena velona sy mahazo vahana ny amin’izany, ary ahiana ho vao mainka hiharatsy aza satria mitombo ny ampihimamba sy afera maloto amin’izao herintaona tsy hahataperan’ny fe-potoanan hiasan’ny Fanjakana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
JIRAMA - Tambajotran’ny herinaratra RIA
06-juin-2023

Hiverina amin’ny laoniny amin’ny zoma hono !

Card image cap
Ady amin’ny jono tsy ara-dalàna Manamafy ny fanohanany ny Amerikanina
06-juin-2023

Tanterahina eto Antananarivo mandritra telo andron’ny 5-7 jona 2023 ny fivoriambe iraisam-paritra tarihan’ny Blue Ventures entina hamolavolana paikady iombonana hiatrehana ny jono tsy ara-dalàna,

Card image cap
Miha mafy ny fahatapahan’ny herinaratra
06-juin-2023

Ahodinkodina ny serasera, ny tena vahaolana tsy nojerena

Card image cap
Miha mafy ny fahatapahan’ny herinaratra
05-juin-2023

Ahodinkodina ny serasera, ny tena vahaolana tsy nojerena

Card image cap
Antananarivo Atsimondrano Misy faritra 2 andro tsy nisy jiro
05-juin-2023

Tena mampijaly fatratra ny mpanjifa ny fahatapahan-jiro lava iainana miaraka amin’ny orinasa JIRAMA. Ho an’ny teny amin’ny kaominina Fenoarivo,

Card image cap
Karazan-javamaniry « pachypodium » Misy mitady hanao trafika sy hanondrana ihany koa
05-juin-2023

Fototra pachypodium miisa 400 eo ho eo, izay mitovitovy endrika amin’ireny zanaka baobab ireny izay tena arovana

Voir plus