airtel

Actualités

30-déc-2022

Actualités

Madagasikara - Fizahantany 2023 Nosokajian’ny Forbes ho isan’ireo 5 voalohany

Sample post image

Nosokajian’ny gazetiboky malaza Forbes ho isan’ireo toerana mahaliana sy tsy azo hihodivirana mendrika hotsidihina indrindra ho an’ny taona 2023 I Madagasikara.

30-déc-2022

Dominica, Saint-Kitts, Mexique, Japon, ary Madagasikara no nosafidian’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny fizahantany maneran-tany ho manintona, ary sokajiana ho toerana lafatra hitrandrahana fizahantany ahafahana mitondra fahalalana ho an’ny taranaka ho avy. Ny fahafaha-mitsidika toerana maro no voalaza fa isan’ny tombondahiny ho an’i Madagasikara noho nyharena voajanahary mampiavaka antsika, noho ireo zava-manan’aina na biby sy zava-maniryy tsy hita afatsy eto Madagasikara. Ny fikajiana sy fiarovana azy ireo anefa no isan’ny mampanahy ho an’i Madagasikara, ary mila ilay antsoina hoe : « voyage responsable » ahafahana manabe ny mpizahatany fa indrindra ny tanora. Nomarihin’ny Black Tomato, fa isan’ny tena mety raha hanaovana fizahantanyy ho an’ny andiam-pianankaviana i Madagasikara satria tsy misy famerana na eo amin’ny lafiny taona na eo amin’ny zava-manan’aina mety hampidi-doza. Fantatra eo amin’ny ezaka fiarovana ny karazan-gidro na « lémuriens » izay fananany madiodio ihany koa i Madagasikara, raha toa ka tsy dia misy mpahalala kosa ilay antsoina hoe : « Safari bleu ». Isan’ny fanamarihana manokana ny hakanton’ny Nosy Manampaho izay ahafahana misitraka sy mahafantatra ny fampitomboan-taranak’ireo voron-drano, fa eo ihany koa ny hakanton’i Nosy Be.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap