airtel

Actualités

23-mars-2023

Actualités

Madagasikara, Frantsa, Ranomasimbe Indianina Hamafisina ny fiaraha-miasa ara-tsiansa

Sample post image

Misy ny atrik’asa karakarain’ny Académie des Sciences d’Outre-mer, izay tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-100 taonany,

23-mars-2023

nosokafana omaly tetsy amin’ny Akademia Malagasy etsy Tsimbazaza. Atrik’asa iarahan’ny akademiam-pirenena eto Madagasikara, La Réunion, ary ny Outre-mer. Nosafidiana manokana ny lohahevitra hoe : "Madagascar, la France et l'Océan indien". Tanjona imasoan’ireo akademia moa ny Fikarohana sy ny ahafahana manaparitaka ny vokatra hositrahan’ny vahoaka. Isan’ny nitarika izany ny Masoivoho Frantsay izay namelabelatra ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara sy ireo Nosy aty amin’ny Ranomasimbe Indianina, ka naneho fa tao ny fiaraha-miasa nahomby teo amin’izy ireo sy ny Akademia Malagasy tao anatin’ny 120 nijoroan’ny akademiantsika, fa misy ihany koa ny tsy nahomby izay tsy ho sakana sy hohatsaraina. Isan’ny voaresaka ny fitandroana ny filaminana sy fandriampahalemana aty amin’ny fari-dranomasina Indianina izay idiran’ny Frantsay an-tsehatra. Nambaran’i Arnaud Guillois fa ao anatin’ny fanajana ny fiandrianan’ny andaniny sy ny ankilany ny fiaraha-miasa. Milaza ny hijery manokana ny fitandroana ny valanjavaboahary, hiara-hiasa amin’ny resaka fambolena i Lafrantsa eo anatrehan’ny tahan’ny fahantrana 81,9% eto amintsika. Ankoatra ireo tompon’andraikitra ara-panjakana sy olo-manan-kaja samihafa, dia isan’ireo voaasa nanatrika ity fotoana omaly ity ireo Filoham-pirenena teo aloha mirahalahy dia Atoa isany Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap