airtel

Actualités

12-févr-2025

MADAGASIKARA-IPC 2024

Manjaka ny tsy maty manota, voahitsakitsaka ny demokrasia

Sample post image

Niakatra isa iray ary nahazo laharana 5 i Madagasikara teo amin’ny tondro mikasika ny kolikololy

12-févr-2025

na IPC (Indice de la Perception de la Corrumption). Nahazo naoty 26/100 ary mipetraka eo amin’ny faha-140 amin’ny Firenena 180 maneran-tany ho an’ny IPC 2024, raha ny tatitra ofisialin’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-MG omaly 11 febroary. Iray laharana amin’i Irak, Cameroun, Mexico, Nigéria, Ouganda. Nosongonan’i Libéria teo amin’ny filaharana, fa nandingana an’i Paraguay, Russie, ary Kyrgistan. Tany amin’ny 2008 isika no tsara toerana indrindra, faha-85 teo. Voasokajy ho fandrosoana tsotsotra sy tsy dia mankaiza ity toerana 5 ity. « Tsy midika fa nisy fivoarana, ary azo lazaina ho mandeha miadana. Tsy fanajana ny zon’olombelona, ny « immunité parlementaire » lasa fialokalofana, ny tsy fandriampahalemana, ny kolikoly ara-pifidianana izay ny Filoham-pirenena voafidy aza mbola tsy mazava ny momba azy hatramin’izao, fifidianana, nisiana herisetra sy fanitsakitsahana zo. », raha ny fanehoan-kevitry ny Tale Mpanatatanteraky ny TI-MG Rtoa Mialisoa Randriamampianina. Nanamafy ny Filoha lefitry Transparency International Rtoa Ketakandriana Rafitoson, fa nampiahiahy sy nampimenomenona ireo fifidianana telo farany, izay tsy midika fironana fa tena nodian-tsy hita ny lesoka ara-pifidianana. Betsaka, hoy izy, ny tatitra sy ny porofo, kanefa niniana tsy nohenoina. Nanamafy ny Firaisamonim-pirenena ROHY, fa tena mihisatra tsy mety mihetsika ity « score » na naoty sy filaharantsika amin'ny IPC ity. Tena tsy hita hoe inona no dingana vita amin'ny ady amin'ny kolikoly satria tsy vonona tsara hanao ny asa fa amin’ny resaka sy kabary aloha efa vonona.... Aiza moa ka ilay lalàna efa mety nametraka ny PAC ho singa fitsarana manan-danja iadiana amin’io kolikoly io nahemotra namoronana lalàna hafa manena ny fahefany indray... Ny Fitsarana ambony na HCJ moa dia tsy afaka mihetsika sy manao n'inon'inona amin'ireo tranga-na kolikoly mahavoarohirohy ireo Mpitondra ambony nifandimby satria "bloque"/voaaro eo anivon'ny Antenimierampirenena sy Solombavambahoaka. Lasa rafitra andaniam-bola nefa tsy misy vokatra azo avy aminy, hoy ny ROHY.
ATSAHARO NY TSY MATY MANOTA, DIOVY NY TSENAMBARO-PANJAKANA,…
Betsaka ireo lesoka toy ny : tsy fanampian’ny hoenti-manana ara-bola sy ara-materialy tena hiadiana amin’ny fomba mahomby ny kolikoly, fiarovana sy tsy maty manota ary fanaovana fitaovana ny Fitsarana, Fanjakana voageja sy tratry ny takalon’ain’ny tombotsoan’ny tsy miankina ; tsy fahampian’ny sehatra ifanabeazana,… Miantso ny TI-MG ny mba : hampiakarana ny tetibola hiadiana amin’ny kolikoly sy hanamafisana ireo rafitra mpanara-maso; hanamafisana ny ezaka amin’ny fanadiovana eo amin’ny tontolon’ny tsenambaro-panjakana ; hiadiana amin’ny tsy maty manota sy hiverenana hijerena ny sata mikasika ny sata tsy azo henjehana na « immunité » ; ny hahafahan’ny olom-pirenena mahalala ireo vaovao samihafa mifandraika amin’ny raharaham-bahoaka ; hiarovana ireo mpampaneno lakolosy ; hanafainganana ny « digitalisation » amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana ; hanajana ny fifanekena iraisam-pirenena mikasika mikasika ny ady amin’ny kolikoly ; hampiharana ny fanasaziana henjana manoloana ny fanjavozavoana mikasika ny famatsiam-bola mikasika ny propagandy,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap