valanaretina COVID 19 teto Madagasikara ny taona 2020, raha ny fanadihadiana natao tamina seha-pihariana samihafa. Maro rahateo no very asa vokatry ny fandalovan’iny valanaretina iny ary maro tamin’ireo tompona orinasa no tsy nanolo ny toeran’ireo noroahina tao anatin’izany na koa namerina azy ireny indray rehefa neverina ho niverina tamin’ny laoniny ny toe-draharaha. Misy amin’ireo mpampiasa, hoy ny fanazavan’ireo sendikan’ny mpampiasa, no mihevitra fa misy karazana asa efa voasolon’ireo tekinolojia samihafa, indrindra, malaza izao ny antsoina hoe IA na «Intelligence Artificielle». Raha nifampitadiavana taloha ny fivarotana finday na mpivarotra azy ireny dia efa izy ireo indray ankehitriny no lasa manatona mpanjifa. Lasa ny finday no manatona mpanjifa. Sahirana ireo tantsaha mpamokatra amin’ny fampiakarana ny vokatr’izy ireo ho aty an-drenivohitra, hany ka voatery mivarotra amin’ny vidiny mora izany ao amin’ny faritra misy azy ihany. Iaraha-mahita io ny olana mikasika ny fihariana lavanilina amin’iny faritr’i SAVA iny. Ny fampitomboana ny fanafarana vary mitaha amin’ny fampirisihana ny tantsaha mpamokatra anatiny hamokatra moa manginy fotsiny. Miha angano hatrany ny hoe «Madagasikara sompitry ny vary». Azo antenaina hitondra vahaolana ao anatin’izao taona vaovao izao mikasika izany rehetra izany ve ny fitondrana ankehitriny sa vao mainka izy ity efa miha tery fa mbola hitohy hiha tery hatrany? Hahagaga ve raha miha maro ny tanora mahita lalana na ray aman-dreny mihitsy mahita lalana ho an’ny zanany dia miha betsaka ny mandefa ny zanak’izy ireo hila ravinahitra anya m-pitan-dranomasina any?
Nangonin’i J. Mirija
Ny nosy Maorisy dia nitaky ny hamerenana amin’izy ireo ny nosy Chagos
Tafintohina amin’ny fanambarana nataon’ny Governemanta frantsay, tamin’ny alalan’ny Minisitra lefitra
Ny APIPA na Sampan-draharaha fiarovana amin’ny fiakaran’ny rano eto amin’ny lemak’Antananarivo
Anisan’ny fitaovana tena ilaina amin’ny resaka famonjena voina ny « drone ».
Nisy ny sabotsy teo, tetsy Ankorondrano, ny fanolorana fitaovam-piasàna ho an’ireo
Misy ifandraisany ny firongatry ny tsy fandriampahalemana sy ny fitotongan’ny