na ny “Conseil des droits de l’homme” andiany faha-51. Mikasika an’i Madagasikara, ny 23 septambra teo no nanaovan’ny CETIM (Centre Europe-Tiers Monde) tatitra teo anivon’ny filankevitra momba ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU. Navoitran’ny CETIM tamin’izany, fa misy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona eto Madagasikara, indrindra amin’ny faritra ambanivohitra. Ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina tamin’ny 17 martsa 2009, izay filoha amin’izao fotoana dia miteraka krizy ara-pitondrana miverimberina, mihemotra ny demôkrasia aty Madagasikara, tsy tan-dalàna ny fitondrany. Notsipihin’ny CETIM ihany koa fa tsy mitsaha-mitotongana ny fanajana ny zo maha-olona: noho ny fisian’ny kolikoly, fanodinkodinana ny volam-panjakana sy ny harena voajanahary, ny fitazonana olona any am-ponja tsy ara-drariny, fanondranana olona antsokosoko, famonoana olona tsy mandalo fitsarana, fanitsakitsahana ny zon’ny tantsaha sy fakana tanin’olona. Ireo dia miteraka ny fanitsakitsahana ny zo maha-olona aty Madagasikara. Ny zava-misy anefa hoy ity tatitra ity, tsy tena avela anao ny asany ny CNIDH, na ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Zon’olombelona eto Madagasikara, noho ny fahatahoran’ny governemanta Malagasy azy ireo sy ny asa sahaniny. Taratry ny tsy fandriampahalemana miseho lany eto Madagasikara ny fisian’ny fitsaram-bahoaka efa namoizana ain’olona an’arivony hatramin’ny taona 2012. Tantsaha tsy meloka no lazaina fa dahalo, tamin’ny toerana mamokatra sy misy harena an-kibon’ny tany, misy tamin’izy ireny no najedaky ny mpitandro filaminana. Mpanam-bola Malagasy, na vahiny, na orinasa vahiny no ambadik’ireny famonoana tantsaha ireny. Volana vitsivitsy izao, miseho lany ihany koa ny fakana an-keriny tantsaha amin’ny faritra mamokatra toy ny any Alaotra- Mangoro, Menabe, ary Anjozorobe. Tantsaha miisa 39 no nogadraina tany Mampikony sy Port-Bergé satria bodoin’ny orinasa vahiny ny tany, olona an’arivony no nandositra any an’ala matahotra ho voasambotra koa. Misy ihany koa ny fanakanana ny fahafahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara, hoy ny CETIM, misy ireo tazonina am-ponja tsy ara-drariny noho ny fanehoan-kevitra nataony. Niantso ny Filankevitry ny Zon’olombelona ao amin’ny ONU noho izany ny CETIM, hanao fanadihadiana sy famotorana lalina aty Madagasikara momba ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona izay sy ny fiarovana ny zon’ ny olom-pirenena.
Toky R
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny