airtel

Actualités

16-mars-2023

Actualités

Madagasikara sy Egypte Andrasana izay mety ho fahombiazan’ny fiaraha-miasa

Sample post image

Noraisin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny masoivoho vaovan’i Egypte eto amintsika, Rabab Said Abdou Abdelhadi omaly 15 martsa 2023.

16-mars-2023

Nivoatra hatrany ny fifandraisana teo amin’ny firenentsika roa tonta ary hita teto ny fahavononana hanamafy izany eo amin’ireo sehatra maro toa ny fahasalamana, ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fotodrafitrasa, hoy ny seraseran’ny Fanjakana. Nambara fa ohatra lehibe amin’izany fifampitokisana izany ny isahanan’ny orinasa Ejipsianina Samcrete ny fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an'i Toamasina sy Antananarivo izay efa manomboka ankehitriny. Betsaka anefa ny zavatra toa mbola manjavozavo amin’io resaka Samcrete sy ny Fanjakana io ka dia ho hita eo hoe : tena ho araka ny fanamby nolazaina hahavitana 80km hatramin’ny faran’ny taona 2023 tokoa ve ? Mbola baraingo hafa ny fanohizana azy ho tonga 265 hatrany Toamasina. Momba ny fiaraha-miasa, nambaran’ny masoivoho Ejiptianina fa vonona ny sehatra tsy miankina ao Egypte sy ireo mpampiasa vola hampiroborobo sy hijery miaraka ireo lalam-piaraha-miasa amin’i Madagasikara. Fomba firesaka ara-diplaomatika ireny fa moa tena liana amin’ny fampiasam-bola eto ve ny vahiny eo anatrehan’ny tsy fahavitan’ny Fitondrana mametraka tontolo ara-pandraharahana tony sy milamina ? Ny filaminana ara-politika ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap