airtel

Actualités

15-nov-2022

Actualités

Maevatanana, Antsirabe, Manakara Efa naloa ny karaman’ireo mpanisa mpifidy

Sample post image

Efa mandeha ny fizarana ny karaman’ireo mpanisa mpifidy na “agent recenseur” manerana an’I Madagasikara, hoy ny DAF an’ny CENI, Jean Nomeny Victor.

15-nov-2022

Maro amin’izy ireo no efa nisitraka izany eo anivon’ny faritra, hoy ny fanazavana. Efa any amin’ny biraon’ny tahirim-bola na “trésor” isaky ny distrika na koa any amin’ny “perception principale” ny vola natokan’ny CENI handoavana izany. Voafetran’ny fanapahana hoe 300 Ariary isaky ny olona voaisa ny fandehan’ny karama. Natao ADC na “avis de délégation de crédit” kosa ny taratasim-bola nalefan’ny tahirim-bola. Anjaran’ny tomponandraikitry ny CENI isaky ny distrika no manatona ny tahirim-bola hoe inona no atao ahafahana mamoaka io taratasim-bola io? Amin’ny ankapobeny dia efa betsaka ny distrika nandoa ny karaman’ny mpanisa mpifidy. Isany ny ao Maevatanana, Antsirabe, Manakara fa ny sisa kosa mbola an-dalana ny fikarakarana taratasy. Mandritry ny 3 volana no hanatontosan’ireo mpanisa ny asany. Tsy mitovy fa arakaraky ny asa vitany ny vola raisin’ireo mpanisa mpifidy. Izay no nifanarahana ka ny ho raisiny izao izany dia ny vokatry ny asany nandritry ny volana oktobra. Rehefa avy miasa izy dia anjaran’ny rantsa-mangaikan’ny CENI miaraka amin’ny sefo SID any an-toerana no manisa izany dia iny no hamoaham-bola any amin’ny tahirim-bola. Hatramin’ny karama desambra efa ao ary eo am-pikarakarana ny fandoavana ny volan’ireo mpanisa mpifidy eto Antananarivo voalohany hatramin’ny fahaenina koa ny CENI. Misy anefa ny antotan-taratasy tsy maintsy fenoin’ireo rantsa-mangaikan’ny CENI ahazoana misitraka izany, hoy hatrany ny fampitam-baovao sy fanamarihana natao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap