Vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana no antony mahatonga izany. Tsy vitsy ireo mihazakazaka misotro ranom-boankazo mangatsiakabe na midio matetika amin’ny rano mangatsiaka noho izany. Misy koa ireo avy hatrany dia mamonjy dobo filomanosana na mitsoraka any anaty rano mba hahazoana aina hahafahana miady amin’izay hafanambe izay. Nambaran’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Ainasoa anefa fa ilana fitandremana fatratra izany fa mety hahafaty. Matetika hoy izy dia tsy latsaka any anaty lava-pofotra na sempotry ny rano ireny olona mitsoraka anaty rano dia mamoy ny ainy ireny fa mijanona tampoka ny fony. Noho ilay hatsiaka tampokabe miditra ao anatin’ny vatana no nambarany fa antony mahatonga izany. Notsiahiviny ihany koa fa tsy azo hatao ny avy hatrany dia manondraka rano mangatsiakabe ny loha rehefa hidio ao amin’ny toeram-pidiovana na dia mafanabe aza. Ny tongotra no nambarany fa tokony ho lemana mialoha ka aorian’izay vao lemana ihany koa ny vatana mba tsy hanaitra azy loatra. Tsy atahorana amin’izay ny mety hikorontanan’ireo taova ao anatin’ny vatana raha ny nambarany izay manomboka any amin’ny ati-doha ka hatrany am-paladia.
Pati
Legende : Izy no Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa !
Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.
Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :
Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira