airtel

Actualités

08-janv-2025

MAFANABE DIA MIHAZAKAZAKA MISAIKA

« Ilana fitandremana , mety hahafaty »

Sample post image

Tena miakatra tanteraka ny maripana eto an-drenivohitra amin’izao na dia ao anatin’ny fotoam-pahavaratra aza isika.

08-janv-2025

Vokatry ny tsy fisian’ny ranon’orana no antony mahatonga izany. Tsy vitsy ireo mihazakazaka misotro ranom-boankazo mangatsiakabe na midio matetika amin’ny rano mangatsiaka noho izany. Misy koa ireo avy hatrany dia mamonjy dobo filomanosana na mitsoraka any anaty rano mba hahazoana aina hahafahana miady amin’izay hafanambe izay. Nambaran’Atoa Mandimbison Rija, tompon’andraikitra eo anivon’ny Centre Ainasoa anefa fa ilana fitandremana fatratra izany fa mety hahafaty. Matetika hoy izy dia tsy latsaka any anaty lava-pofotra na sempotry ny rano ireny olona mitsoraka anaty rano dia mamoy ny ainy ireny fa mijanona tampoka ny fony. Noho ilay hatsiaka tampokabe miditra ao anatin’ny vatana no nambarany fa antony mahatonga izany. Notsiahiviny ihany koa fa tsy azo hatao ny avy hatrany dia manondraka rano mangatsiakabe ny loha rehefa hidio ao amin’ny toeram-pidiovana na dia mafanabe aza. Ny tongotra no nambarany fa tokony ho lemana mialoha ka aorian’izay vao lemana ihany koa ny vatana mba tsy hanaitra azy loatra. Tsy atahorana amin’izay ny mety hikorontanan’ireo taova ao anatin’ny vatana raha ny nambarany izay manomboka any amin’ny ati-doha ka hatrany am-paladia.
Pati
Legende : Izy no Mandimbison Rija, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Centre Ainasoa !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap