ka lasa mahay mifidy sy tena mijery lavitra, tsy voavidy vola, tsy voavidy sô na koveta,… ary nanasazy ny mpanao politika mpamarina an-kady firenena sy miezaka manaraoraotra ny fahantran’ny Malagasy. Nanofy aho alina, fa tonga hirodorodo handatsa-bato ny Malagasy, ka tsy ho fombafomba fotsiny, fa tena fifidianana hanova ny tantaran’ny firenena. Efa betsaka izay zavatra nitranga izay, totoafo ny fampanantenana samihafa, iaraha-mahita ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto. Isika rehetra no afaka mitsakotsako hoe : tena mendrika ny Malagasy ve izao ? Iza no fositra ? Iza no nanao inona ? Inona no adidin’ny isam-batan’olona ? Fotoana izao hakana lesona ka hifidianana izay heverina fa mendrika sy hanasaziana izay hita fa tsy nahomby sy milalao ny fahantran’ny Malagasy ! Dia mbola haverina am-pitiavana indray hoe : mandehana mifidy ry reto a ! Aza avela ny hafa no handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranao ! Mila antsika ny firenena, koa hefao ny adidy rahampitso dia mahaiza mifidy satria ny safidinao no hamaritra ny hoavin’i Gasikara e !
Tia Tanindrazana
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny