airtel

Actualités

28-mai-2024

Mahaiza mifidy daholo e!

Tsy hiteny betsaka aho anio, fa hitantara ny vetsovetsom-poko sy ny nofinofiko

Sample post image

amin’izao andro fisaintsainana izao hoe : tonga saina hono ny Malagasy,

28-mai-2024

ka lasa mahay mifidy sy tena mijery lavitra, tsy voavidy vola, tsy voavidy sô na koveta,… ary nanasazy ny mpanao politika mpamarina an-kady firenena sy miezaka manaraoraotra ny fahantran’ny Malagasy. Nanofy aho alina, fa tonga hirodorodo handatsa-bato ny Malagasy, ka tsy ho fombafomba fotsiny, fa tena fifidianana hanova ny tantaran’ny firenena. Efa betsaka izay zavatra nitranga izay, totoafo ny fampanantenana samihafa, iaraha-mahita ny fiainana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto. Isika rehetra no afaka mitsakotsako hoe : tena mendrika ny Malagasy ve izao ? Iza no fositra ? Iza no nanao inona ? Inona no adidin’ny isam-batan’olona ? Fotoana izao hakana lesona ka hifidianana izay heverina fa mendrika sy hanasaziana izay hita fa tsy nahomby sy milalao ny fahantran’ny Malagasy ! Dia mbola haverina am-pitiavana indray hoe : mandehana mifidy ry reto a ! Aza avela ny hafa no handray fanapahan-kevitra eo amin’ny toeranao ! Mila antsika ny firenena, koa hefao ny adidy rahampitso dia mahaiza mifidy satria ny safidinao no hamaritra ny hoavin’i Gasikara e !
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap