airtel

Actualités

28-août-2023

MAHAJANGA

Hifampitadiavana ny taksibrosy mody

Sample post image

Hifampitadiavana nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny taksibrosy avy any Mahajanga mody eto Antananarivo,

28-août-2023

raha araka ny loharanom-baovao azo. Saika nanapitra ny fialan-tsasatra lehibe tamin’iny herinandro iny avokoa mantsy ny ankamaroan’ireo mpiala sasatra fa maika hanenjika ny fikarakarana ny fidiran’ny mpianatra amin’ity herinandro ity. Misy manararaotra fatratra araka izany ireo koperativa. Misy ireo maika ny hahafeno fiara fotsiny ka milaza ho manana toerana tsara saingy rehefa tonga ny fotoana handehanana tsy ilaina toerana nampanantenainy akory no misy. Efa maika ny hody anefa ireo mpiala sasatra ka tsy afa-manoatra. Misy indray ireo efa nanaovana famandrihan-toerana saingy milaza efa feno… ankoatra ireo mampiakatra saran-dalana eo amin’ny 5.000 Ar isan’olona hoy ny fitarainana azo. Tsy kely lalana ihany koa ireo mpisoloky manoloana izany izay milaza ho manana fiara malalaka miakatra eto an-drenivohitra ka mitaky saran-dalana mialoha amin’ny alalan’ny MVola. Valalanina ny ankamaroan’ireo mpiala sasatra hody eto an-drenivohitra noho izany.
Pati
Legende : Hifampitadiavana ny taxi-brousse mody eto an-drenivohitra avy any Mahajanga amin’izao !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap