airtel

Actualités

17-avril-2023

Actualités

Mahalavolona Andoharanofotsy Bevohoka ilay zazavavy 12 taona naolana rangahy 60 taona

Sample post image

Zazavavy kely iray vao 12 taona monja no fantatra fa naolana lehilahy lehibe iray manodidina ny 50 ka hatramin’ny 60 taona teny Mahalavolona Andoharanofotsy, distrikan’Atsimondrano.

17-avril-2023

Raha araka ny fantatra dia mpanofa trano io zazavavy kely 12 taona io sy ireo Ray aman-dReniny izay fianakaviana tena sahirana ara-pivelomana tokoa. Mpiandraikitra ilay trano hofainy kosa io Rangahy lehibe io fa tsy tena tompony. Isaky ny mitaky hofantrano anefa izy dia io zazavavy kely io foana no tratrany irery ao an-tranony ka nanamparany ny filan-dratsiny. Norahonany tsy hiteny na amin’iza na amin’iza izy mandritra izany no sady notambatambazany vola. Tena nahatam-bava tokoa io zaza io nandritra izany. Nahatsikaritra kosa anefa ny fiaraha-monina fa hafahafa izy. Manasa lamba sy matsaka rano eny amin’ny manodidina hatrany mantsy izy ka nentin’iretsy voalohany dokotera. Fantatra nandritra izany fa potika tanteraka ny fivavian’ity zazavavy kely ity. Efa bevohoka telo volana ihany koa izy. Rehefa nanontaniana ny mikasika izay Rain-janany ilay tsy manan-tsiny dia nitantara fa io Rangahy lehibe mpiandraikitra ny trano hipetrahan’izy ireo io no nanolana azy ary efa in-telo nisesy izy no nanamparan’ilay tsy mataho-tody io ny filan-dratsiny. Efa nentin’ny fiaraha-monina teny anivon’ny mpitandro ny filaminana moa ny raharaha koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap