airtel

Actualités

06-mars-2023

Actualités

Mahanoro Fokontany 4 nametrahana jiro miisa 110

Sample post image

Taorian’ny fanombohana ny tetikasan’ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, « Hazavao ny elakelan-trano » teto an-drenivohitra toy ny boriboritany faharoa dia ny faritra Atsinanana indray no misitraka izany.

06-mars-2023

Ny distrikan’I Mahanoro no nanombohan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo, Solo Andriamanampisoa, ny fanolorana ireo jiro hapetraka an’elakelan-trano ireo ny zoma 3 febroary 2023 ho an’ny faritra Atsinanana. Jiro miisa 110 no napetraka amin’ny fokontany miisa 4 ao Mahanoro isaky ny 50 metatra amin’ny lalana mirefy 5 kilometatra, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ady amin’ny tsy fandriampahalemana eo anivon’ireo fokontany sy lalan-kely samihafa fa indrindra ihany koa ny fampisitrahana ny hazavana ho an’ireo rehetra araky ny velirano faha 2 an’ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina no tanjona. Nanotrona ny minisitra sy solontenan’ny JIRAMA tamin’izany ireo solotenan’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana tarihin’ny governoran’ny faritra Atsinanana. Fankasitrahana no natolotr’ireo vahoaka ny minisitra amin’ny fampisitrahana ny jiro tahaka izao ety ifotony izay tsy nisy an-polo taonany maro ho an’ny ao Mahanoro. Ho fanamarihana ny andron’ny 8 martsa, andron’ny vehivavy, tsy nanadino ny fikambanam-behivavy ao Mahanoro ihany koa ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, izay nanolotra fanomezana ho an’ireo vehivavy tamin’ny alalan’ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo nandritry ny fidinana ifotony tao Mahanoro, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap