airtel

Actualités

12-déc-2024

Mahantra ny firenena sy ny toetsain’ny mponina

Vita ny propagandy, maloto ny tanàna!

Sample post image

Mahantra ny firenena sy ny toetsain’ny mponina ao aminy, raha fintinina izany ny toerana

12-déc-2024

misy an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Teo moa ny tarehimarika sy tombana navoakan’ilay tambazotra soisa fanaona firenena maro ho fitaratra na «référence» antsoina hoe Watson izay namoaka fa 80,3% ny malagasy no miaina ambanin’ny 2,10 Dolara isan’andro iny, izay namoahany fa ny firenentsika izany izao no mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Ny an’ny banky iraisampirenena sy tahirim-bolamena aza moa mbola azo lazaina ho nampivarahontsana noho izany ny filazàny fa 75% mahery ny malagasy zara raha mahazo 4000 Ariary ivelomana anaty andro iray. Fahantrana hita maso izay fa rehefa nijery ny zava-nisy nanomboka ny 10 desambra ihany koa na atao hoe vao ny tolatolak’iny 9 desambra namarana ny fampielezankevitra iny aza dia kivy ihany ireo olompirenena mahatsiaro ny tenany ho mbola tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity mahita ny loton’ny tanàna manoloana ireo afisy misy sarina kandidà lasa miparitaka eny an’arabe sy lalana falehan’ny mpandeha an-tongotra. Izany no tena hoe «Vita ny propagandy, maloto ny tanàna!» indray angamba no filamatra vaovao tena tanteraka avy hatrany taorian’ny hoe «Madagasikara tsy mety mandroso», raha toa ka tsy mety tanteraka ny hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap