airtel

Actualités

12-déc-2024

Mahantra ny firenena sy ny toetsain’ny mponina

Vita ny propagandy, maloto ny tanàna!

Sample post image

Mahantra ny firenena sy ny toetsain’ny mponina ao aminy, raha fintinina izany ny toerana

12-déc-2024

misy an’i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Teo moa ny tarehimarika sy tombana navoakan’ilay tambazotra soisa fanaona firenena maro ho fitaratra na «référence» antsoina hoe Watson izay namoaka fa 80,3% ny malagasy no miaina ambanin’ny 2,10 Dolara isan’andro iny, izay namoahany fa ny firenentsika izany izao no mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Ny an’ny banky iraisampirenena sy tahirim-bolamena aza moa mbola azo lazaina ho nampivarahontsana noho izany ny filazàny fa 75% mahery ny malagasy zara raha mahazo 4000 Ariary ivelomana anaty andro iray. Fahantrana hita maso izay fa rehefa nijery ny zava-nisy nanomboka ny 10 desambra ihany koa na atao hoe vao ny tolatolak’iny 9 desambra namarana ny fampielezankevitra iny aza dia kivy ihany ireo olompirenena mahatsiaro ny tenany ho mbola tomponandraikitra eto amin’ity firenena ity mahita ny loton’ny tanàna manoloana ireo afisy misy sarina kandidà lasa miparitaka eny an’arabe sy lalana falehan’ny mpandeha an-tongotra. Izany no tena hoe «Vita ny propagandy, maloto ny tanàna!» indray angamba no filamatra vaovao tena tanteraka avy hatrany taorian’ny hoe «Madagasikara tsy mety mandroso», raha toa ka tsy mety tanteraka ny hoe «Madagasikara tsy maintsy mandroso!».
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap
27-mai-2025

Niteraka fahasahiranana tamin’ny mpampiasa vola maro, na ireo mpanjifa io,

Card image cap
27-mai-2025

Tena mbola ambany ny tahan’ny fanjifan’ny Malagasy ny akoho sy ny akoho eto amintsika.

Card image cap
27-mai-2025

Tsy ampy 240.000 taonina isan-taona ny vokatra katsaka eto Madagasikara.

Card image cap
26-mai-2025

Tena nandeha ny tsenan’ny mofomamy ny faran’ny herinandro teo teto

Card image cap