airtel

Actualités

21-sept-2023

MAHAZO VAHANA NY DORO TANETY

Velaran-tany 600 ha kila forehitra tany Marohogo Betsiboka

Sample post image

Manomboka mahazo vahana ny doro tanety any amin’iny faritra avaratra andrefan’i Nosy iny.

21-sept-2023

Vao hiditra an’Ankazobe dia efa hita taratra izany, izay tsy mitsaha-nihitatra. Tonga hatrany Marohogo, Faritra Betsiboka izany omaly raha araka ny vaovao azo. Velaran-tany 600 ha raha kely no indray kila forehitra hotohoton'ny afo. Tsy fantatra mazava izay niavian’ny afo raha araka ny vaovao azo fa ilay velarantany may efa nahatratra 10 ha tany ho any no nanaitra ny fokonolona. Niezaka ny namono izany ireto farany hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay saingy mbola tsy nety maty ihany ny afo. Na izany aza dia efa misy ny olona ahiahiana ho nanao izao fandoroana tanindrazana izao. Miantso ny tokony hampiharana ny lalana amin’ireo mpanao ratsy avy hatrany ireo mponina any an-toerana hahafahana mamongotra azy ireny. Tsiahivina moa fa isaky ny fotoam-pifidianana tahaka izao dia misy hatrany ny tranga mampalahelo tahaka itony. Tsy fantatra intsony izay ao ambadika na hoentina hanakorontanana saim-bahoaka na koa famotehana tsotra izao ny ho avin’ny firenena mihitsy.
Pati
Legende : Ngazana sy may tahaka izao ny ao Marohogo Betsiboka !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap