airtel

Actualités

08-juil-2024

MAMO TARAIKY TANY AN’ELAKELAN-TRANO

Notondroin’ny olona ho mpangalatra, naiditra am-ponja

Sample post image

Tovolahy iray handeha hamonjy hasoavan-jaza teny Itaosy Atsimondrano teny no fantatra fa

08-juil-2024

tsy nahatadidy lalana ka tafatsofoka tany an-tananan’olona. Andro alina no nisehoan’izany andro maromaro lasa izay no sady efa mamomamo ihany koa ilay tovolahy. Efa diso leo loatra ny tsy fandriampahalemana nisy tao amin’ilay tanana anefa ireo mponina no sady efa nisy ihany koa ireo vaky trano matetika ka nifatratra tany amin’io tovolahy io ny hatezeran’izy ireo. Nosamborin’izy ireo avy hatrany io tovolahy io ary natolony ny mpitandro ny filaminana. Taorian’ny fanadihadiana natao dia naiditra am-ponja vonjimaika ny anaolahy. Na izany aza tsy nahatrarana fitaovana maranitra na zavatra hafa kosa tany aminy. Tsiahivina moa fa tena fady ary tsy azo hatao ny mandehandeha any an-tananan’olona amin’izao fotoana mampahamay ny tsy fandriampahalemana izao, indrindra fa amin’ny andro alina. Efa tena sahirana mantsy ny vahoaka amin’ny fitadiavana nefa mbola manao ny hataony hatrany ireo mpangalatra ka tsy maintsy miaro ny ainy sy ny fananany izy ireo. Ny fiainana rahateo efa tena mihasarotra.
Pati
Legende : Tsy azo hatao ny mandehandeha amin’ny alina any an-tananan’olona !
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap