airtel

Actualités

19-juil-2022

Actualités

Mampaneno lakolosy ny KMF-CNOE Ahenao ireo fandaniam-panjakana tsy mamokatra

Sample post image

Manaitra ny fitondram- panjakana amin'ny fitsinjovana ny lavitra amin'ny fitantanana ny firenena ny KMF-CNOE Fanabeazan olom-pirenena indrindra amin'ny lafiny ara toe-karena,

19-juil-2022

manoloana ny fampiakarana ny vidin-tsolika nanomboka ny 11 jolay, ary nampiakatra tampoka ny saran-dàlana sy ny vidim-piainana manarena ny Nosy. Raha niakatra ho 43 % taratahakeliny ny vidin-tsolika solika dia ahiana ny tsy maintsy hiakaran’ny vidin'entana maro sy ny tolotra misy eto amin ny firenena, hoy ity firaisamonim-pirenena ity. Raha ampitahaina amin'ny firenen-kafa i Madagasikara dia saika miady lohalaharana amin'ny tahan'ny fahantrana ambony indrindra maneran-tany. Raha eo ho eo amin'ny 1,90 dolara isan'andro, izany hoe 7 834 Ar ny salasalan'ny fidiram-bolan'ny malagasy iray amin'zao fotoana izao, ka tsy ho zakan’ny isan-tokantrano ny fiakaran’ny vidim-piainana. Noho izany miantso ny fitondram-panjakana ny KMF-CNOE amin'ny fandraisana andraikitra amin ny fitadiavana vahaolana mahomby sy maharitra amin'ny famoahana ny firenena ao anatin izao sedra mafy iainan'ny vahoaka izao. Mbola fotoana izao amin'ny fiezahan'ny mpitondra mafimafy kokoa amin'ny famahana ny olana fototra misy eto amin'ny firenena, mba tsy hahatogavana amin’ny mety fipoahana ara-tsosialy tsy ampoizina. Miantso ny famahana ny olan’ny herinaratra vatsian'ny JIRAMA izay manampy trotraka ny fahasahiranana efa mianjady tokantrano, indrindra ireo mivelona amin’ny herinaratra ihany koa izy ireo. Fahatelo, aoka mba hitsinjo ny tokantrano malagasy ny tanapahan-kevitra izay raisinareo mpandraharaha ara-toekarena ny amin'ny fampiakarana ny vidin' ireo entana sy ny tolotra ilain'ny tokantrano malagasy isan’andro, hoy ny fanambarana. Miantso fanaraha-maso ny vidin’entana sy famolavolana haingana fepetra na mesures d'accompagnement tena mahomby izay mitondra fahatanjahana ara-toekarena maharitra. Miantso ny fampihenana ny fandananim-bolam-panjakana izay tsy ahitana vokatsoa mivaingana toy ny fanomezana « indemnité » avo loatra ho an 'ny mpiasam-panjakana sasantsasany, fanaovana fampisehoana, fividianana 4X4 ho an'ny mpiasam-panjakana.

Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap