Raha somary nangingina tato ho ato, dia manomboka miresaka an’i Mamy Ravatomanga sy ny mety ho aviny indray ny fampahalalam-baovao Maorisianina. Nisongadina ny faran’ny herinandro teo ny hoe : tsy maintsy hiatrika ny fetin’ny noely sy ny taom-baovao any am-ponja ny tenany. Voalaza fa somary manana olana amin’ireo mpiaro azy sasany satria ny mpisolovava fototra Me Siddhartha Hawoldar, dia any Inde amin’izao fotoana izao noho ny fitsidihana manokana, izay vao mainka manasarotra ny raharaha. Tsy dia mifanaraka amin’ireo mpisolovavany i Mamy Ravatomanga hatramin’ny nitondrana azy tany am-ponja, hoy ny vaovao avy atsy Maurice. Voalaza fa manome tsiny azy ireo izy noho ny safidy sy ny dingana nataon’izy ireo hatramin’ny fiandohan’ny fanadihadiana, ka mampitombo ny fisalasalana momba ny hoavin’ny fiarovana ara-pitsarany, taorian’ny 2 desambra namonjana azy ao amin’ny Eastern High Security Prison (EHSP) ao Melrose izy, taorian’ny fisamborana nataon’ny Financial Crimes Commission (FCC) ny 24 Oktobra.
MILAMINA TSARA AO AM-PONJA…
Na izany aza, notaterin’ny fampahalalam-baovao Maorisianina Le Défimedia.info omaly 21 desambra, fa ny fahatongavan’i Ravatomanga tao amin’ny fonja Melrose dia niteraka resabe, saingy milamina tsara izy. Ao amin’ny Marygold Unit no nametrahana azy, miaraka amin’ireo gadra vahiny hafa. Mitafy T-shirt mavo tsara, short ary kiraro Dodo, izay fitafiana omen’ny fonja izy, ary mizara ny fiainany isan’andro amin’ny gadra roa vahiny. Tsy mitovy amin’ny gadra hafa mitafy akanjo volomboasary izy, ka vao mainka nampisongadina ny fisiany, hoy io fampahalalam-baovao io. Maro amin’ireo gadra no niezaka nanakaiky azy, manantena fanampiana ho an’ny fianakaviany indray andro any. Na izany aza, ny gadra malagasy sasany kosa dia naneho mazava fa tsy tiany ny mpiara-mponja aminy, indrindra ireo voaheloka noho ny trafikana zava-mahadomelina. Noho izany, ny fitantanana ny fonja dia misoroka ny fifandraisana akaiky mba hisorohana olana, hoy ny tatitra. Araka ny voalazan’io vaovao io hatrany, tamin’ny voalohany Ravatomanga dia naneho fahakiviana rehefa niditra tao am-ponja, avy tao amin’ny hopitaly, saingy taty aoriana, nihatsara ny toe-tsainy sy ny fahasalamany. Araka ny loharanom-baovao hoy io vaovao io, dia salama tsara izy, mihinana sakafo mitovy amin’ny gadra hafa: vary, atin’akoho, trondro nendasina, atody ary legioma. Tsy mbola nitaraina momba ny fepetra ao am-ponja izy, ary indraindray dia mahazo sakafo avy amin’ny mpisolovavany sy ny fianakaviany. Mahazo fikarakarana manokana: fanapahana volo amin’ny tondeuse électrique sy fanorana avy amin’ny gadra sasany. Ireo fikarakarana madinika ireo dia manaporofo fa miha-mifanaraka amin’ny fiainana ao am-ponja izy.
MBOLA HENJANA NY LALAN-KIVOAHANY
Araka ny lahatsoratry ny Le Défimedia.info, Ravatomanga dia miara-miasa kokoa amin’ny fanadihadiana ankehitriny, tsy tahaka ny tamin’ny voalohany. Nampahafantatra mihitsy izy fa aleony nanazava ny raharaha taloha kokoa. Ny FCC kosa dia mbola miandry fanazavana fanampiny avy amin’ny manampahefana malagasy momba ny raharaha ara-bola ataony. Na izany aza, mbola sarotsarotra ny lalan-kivoahany satria mitombo ireo vesatra na ho azy manokana na ho an’ny fianankaviany raha tsy hilaza afatsy ny nanokafan’ny Maorisianina fanadihadiana mikasaika ny trafikana boaderozy, ny raharaha boeing 777,… Ny raharaha mahavotonontonona ny zanany amin’ny resaka trafikana zava-mahadomelina,… Andrasana ny tohiny !
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»