Niditra an-tsehatra indray amin'ny raharaha Mamy Ravatomanga Parquet National Financier (PNF) Frantsay, rafitra misahana ny hosoka ara-bola, izay fa efa tonga tao amin’ny Nosy Maurice ihany koa, manao famotorana ankoatra ny an'ny Financial Crimes Commission (FCC) ao Maorisianina. Firenena maromaro no voalaza fa mety voakasika amin'io: Madagasikara, France, Maurice, Seychelles. Tafiditra ao anaty fanenjehana iraisam-pirenena i Mamy Ravatomanga satria mbola eo ihany koa ny fera Boeing 777 izay nidiran'ny Amerikanina an-tsehatra. Tamin’ny volana Jona, mpitsara frantsay avy amin’ny PNF no nanao famotorana mivantana an-dRavatomanga tao Maorisy, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao any an-toerana. Ny PNF dia efa nanomboka nandinika ny raharahany hatramin’ny 2011, taorian’ny fividianana trano tany Levallois-Peret mitentina 4,5 tapitrisa euro. Raha ny tatitra, nisy orinasa offshore maorisianina sy kaonty tany Monaco voatonona tamin’ny fanadihadiana nataon’ny OCRGDF (Office central pour la répression de la grande délinquance financière). Ny FCC andaniny efa nitatitra fa nitahiry vola mihoatra ny 130 tapitrisa euro tao amin’ireo banky ao Maorisy Ravatomanga, vola heverina fa avy amin’ny asa tsy ara-dalàna. Ireo fitoriana telo napetraka manenjika azy tao Maorisy dia manamafy ny ahiahy momba ny fanadiovana vola sy ny kolikoly. Tafakatra hatrany amin'ny 20 miliara dolara ny sora-bola mikasika ny raharaha Ravatomanga ao amin'ity Nosy ity. Teto Madagasikara, voampanga ho nanararaotra fahefana amin'ny maha akaiky ny filoha teo aloha Andry Rajoelina mba hanodinkodina vola sy hanamafisana ny orinasany. Voalaza ihany koa fa nisy hosoka ara-ketra, kolikoly ary fitrandrahana tsy ara-dalàna ny boaderozy,... ka antony nanagiazana ny orinasany ho eo ambany fanaraha-mason'ny Fitsarana sy anatin'ny fitantanana manokana. Any Maurice, miampy ny dosie. Voalaza fa nisy fisavana tao amin’ny orinasa Rogers, izay ahitana an’i Ravatomanga ho mpampiasa vola. Efa nangataka famotsorana amin’ny alalan’ny antoka indray izy, ka ny 20 jolay izao indray no handray fanapahan-kevitra ny Fitsarana taorian'ireo fandavana teo aloha.
Toky R