airtel

Actualités

06-juil-2022

Actualités

Mananjary Nosamborina ilay lehilahy nampiasa vola sandoka

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vatovavy Fitovinany tany Mananjary ny lehilahy iray 22 taona afak’omaly 04 jolay rehefa nampiasa vola sandoka.

06-juil-2022

Io andro voalaza io tokony ho tamin'ny 8ora sy 15mn alina raha tsiahivina dia naharay antso ireo Polisy tompon’andraikitra miasa ao amin'ny kaomisaria foibe Mananjary izay milaza fa misy olona manana vola sandoka maromaro ao amin'ny toeram-pisotroana iray antsoina hoe : Masindrano Distrikan'i Mananjary ary mampiasa izany hividianana zavatra. Tsy niandry ela fa namonjy teny amin'ilay toerana voafaritra ny polisy ka tra-tehaka tao ilay lehilahy voalaza. Nandritra ny fisavana natao taminy dia mbola nahatrarana vola sandoka 20.000 Ar sy iray 10.000 Ar mitentina 70.000 Ar teny aminy. Miditra ao amin'ilay trano fisotroana izy, manao kaomandy toy ireny mpividy ireny ary avy eo mandoa izany eny amin'ny mpandray vola mba hahazoana fameriny amin'ny vola ara-dalana. Dia toy izany hatrany no fanaon’ity lehilahy ity mba hamitahana olona. Efa natao fanadihadiana moa ny anaolahy ary hiakatra fampanoavana tsy ho ela.
Pati
Legende : Ity ilay lehilahy

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap