airtel

Actualités

19-juil-2024

MANDELA DAY

Fahafahana, fitoviana, fifanampiana

Sample post image

Andeha ho ravana ny tsy fitoviana. Eo am-pelantanantsika mandrakariva ny fiovana” hoy Ramatoa Mbavhi

19-juil-2024

manenzhe, mpiandraiki-draharaha eo anivon'ny masoivohon'i Afrika atsimo eto Madagasikara. Ady sy ny tolona nanoherana ny fanavakavaham-bolon-koditra, ny fahafahana sy ny fampanjakana ny rariny, ary ny fanajana ny maha olona, no nahafantarana an’i Nelson Mandela. Noho io fanokanan-tenany ho fikatsahana ny fanasoavana ny mpiara-belona sy ny fitondrany ny anjara birikiny tamin’ny fikatsahana filaminana sy fahafahana izay indrindra, no nanokanan’ny Firenena Mikambana andro iraisampirenena ho an’i Nelson Mandela, izay marihana isaky ny 18 jolay. Toy ny fanaony isan-taona dia manamarika ity andro iraisam-pirenena ho an’i Nelson Mandela ity ny Masoivoho afrika atsimo eto Madagasikara. 67 minitra mahery hanaovana asa soa ho an’ny mpiara-belona tetsy tetsy Ambohibao Antehiroka. Vehivavy miisa 109 avy eo an-toerana no nentanina momba ny fahadiovana sy fidiovana, fampahafantarana momba an’i Nelson Mandela, fampianarana momba ny fikirakirana sy fanodinana fako, fizahana ara-pahasalamana, fizarana tohana samihafa sy hani-masaka. Tsy androany ihany fa isan’andro no hanasana ny mpiara-belona mba hanao asa soa eny anivon’ny fiaraha-monina hoy ny avy eo anivon’ny masoivoho afrika atsimo eto Madagasikara.
Lalaina RAV
 

Dans la même rubrique

05-déc-2025

Nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitahiry

Card image cap
05-déc-2025

Andrasana ny tohin’ireo afera goavana maro…

Card image cap
05-déc-2025

firehana politika ny adidy ho an’ny firenena»

Card image cap
05-déc-2025

Green Army amin’ny fanamaitsoana an’i Gasikara

Card image cap
05-déc-2025

Olona efa-mianaka no indray maty

Card image cap
05-déc-2025

Na ny trano hiandrasana ny razana aza tsy misy

Card image cap