antsokosoko ka tratra tao amin'ny Nosy Maurice ny 10 jona 2019. Bolongam-bolena 45 eo izany, izay natolotry ny Praiminisitra Maorisiana Navichandra Ramgolan omaly, nandritra ny fihaonana an-tampon'ny COI ampiantranoan’i Madagasikara. Endrika nentina nanamafisana ny firaisankina eo amin’ny Nosy roa tonta. Olona 5 mianaka no niaraka, fa ny 2 no tena nahatrararana ireo volamena, voasaringotra tamin’ity raharaha ity, raha ny fanazavana. Noho ny fifampiresahana tsy tapaka tamin'ny Fadintseranana Maorisianina, izay tafiditra ao anatin’ny fifanarahana roa lafy momba ny fifanampiana ara-pitantanana eo amin’ny sehatry ny fadintseranana (Accord bilatéral d’Assistance Mutuelle Administrative (AMA) dia nahitana fandrosoana goavana ity raharaha narahina nandritra ny dimy taona mahery ity, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana Malagasy Atoa Lainkana Zafivanona Ernest. Namoaka didy araka izany ny Fitsarana any Maorisy tamin’ny taona 2023 fa ho averina amin’ny Fanjakana Malagasy ireo volamena milanja, ka io natolotra omaly io. Nambara fa naterina avy hatrany any amin’ny Banky Foibe ireo volamena. Tsapa sy tsikaritra ho maneho fahatsaram-panahy amintsika ireo firenena vahiny izay adikan’ny fitondrana ho fahombiazany ara-diplaomasia. Vao ny volana martsa teo no nanaovana serasera fa naverin’i Comores ny volamena 49kg sarona tany aminy ny desambra 2021, naverin’i Thailande ny sokatra sy gidro sarona tany aminy,… Asa haverin'i Afrika Atsimo mandritra ny fihaonamben’ny SADC hatao eto ihany koa ve ilay 73kg voageja any ? Ary mba manao ahoana ihany koa ny tohiny mikasika ireo boaderozy naondrana tamin’ny andron’ny tetezamita sa efa resaka hafa sy tsy misy hevitra intsony ireny ?
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny