alakamisy tolakandro teo, izay nanakanana fiara tsy mataho-dalana miisa telo an’ny orinasa Base Toliara tao Tsiafanoky, kaominina Tsianisiha, distrikan’i Toliara II. Nandritra ny fivoriana nataon’ireo mponina manohitra ny fitrandrahana fasimainty ataon’ny Base Toliara, dia nandalo ireto fiara avy amin’ny orinasa namita iraka tao an-toerana ireto. Noraran’ny fokonolona mafy izy ireo tsy handalo intsony ao amin’ny fokontany. Vaky nandositra ireo iraka taorian’ny fampitandremana natao. Nanamafy ireo mponina fa efa miroso amin’ny fanamboarana fasana nafindra ao an-tanàna ilay orinasa. Efa manao fandrefesantany sy fanisana hazo ao anaty ala ihany koa izy ireo, hoy ny fokonolona, ka mahatonga ny fanoherana sy fahatezerana. Araka ny fanazavan’ny mpanao hetsi-panoherana, misy fitaka ataon’ny fanjakana sy ny orinasa amin’ireo kaominina anaovana fitrandrahana. Noho izany, milaza hanamafy sakan-dalana amin’ireo lalana mety hidiran’ny Base Toliara ny vahoaka ao Tsianisiha sy Ankilimaliniky, ary nampitandrina ireo izay maniry hikitika ny taniny sy ny ala. Nandritra ny fihaonana natao tao Benetsy sy Tsiafanoky, dia samy nanamafy ny fahavononany hiaro ny tanindrazana ireo vahoaka sy ny avy amin’ny fikambanana MAZOTO, amin’ireo toerana hitrandrahan’ny Base Toliara.
AMPIFANDRAFIANA HIFAMONO NY VAHOAKA ?
Ankilany, nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tamin’ny sabotsy maraina ny lohany mpanohitra ao amin’ny fikambanana MAZOTO, Rezary, tamin’ny sarika am-pandriana tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, araka ny tatitra. Tezitra ny fokonolona ka niroso tamin’ny fisamborana ireo olona manohana ny Base Toliara tao amin’ny fokontany Benetsy. Hoy izy ireo: “Tsy avoakanay ireo olona tratranay raha tsy mivoaka i Rezary”. Tonga hatrany amin'ny hoe: “Maso efan’ny maso, gadra atakalo gadra”. Nanome fe-potoana hatramin’ny alahady maraina tamin’ny 6 ora izy ireo. Eo anilan’izany, nisy fanetsehana olona voalaza fa manohana ny tetikasa Base Toliara. Toa mihamafy sy mivadika ho fampifandrafesana vahoaka ny toe-draharaha, ka ampidandonina ireo manohitra sy ireo mankasitraka ny tetikasa. Hoy ny fanehoan-kevitr’i Patrick Raharimanana: “Toy izao no iandohan’ny ady an-trano aty Afrika, amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany tsy manaraka ny fankatoavan’ny mponina”. Asa hoe: hahomby ve ny fahamarinan-toerana ara-pampiasam-bola amin'ny alalan'ny antoka am-polo taonany maro tafiditra amin'ny hoe: MSP (Millenium Security Partenership) ho an'ilay orinasa eo anatrehan'ny mbola fifanoherana goavana ?Mahomby sy maharesy lahatra ny vahoaka ve ny fizarazarana zavatra ? Atao amboletra na hisy ra mandriaka aza satria efa nandray vola ny Fanjakana ?
Toky R
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»