airtel

Actualités

11-déc-2025

Manizingizina ny Minisiteran’ny Fitsarana

Efa very ny zo sivily s

Sample post image

y politika maha Malagasy an-dRajoelina…

11-déc-2025

Namoaka fanambarana ofisialy ny Ministeran’ny Fitsarana, ka nampahatsiahy amin’ny fomba hentitra ny fitsipika mifehy ny fidirana sy ny fipetrahana eto Madagasikara. Na tsy nolazaina mivantana aza, dia heverina fa mifandraika amin’ny raharaha Andry Rajoelina teo anatrehan’ny adihevitra mikasika ny fanasana azy handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena. Navoitra fa ny lalàna mifehy ny zom-pirenena sy ny taratasy fivezivezena dia tsy maintsy hajaina, ary izay mandika izany dia hiatrika sazy ara-pitsarana avy hatrany. Araka ny fanazavana, ny olona very zom-pirenena malagasy dia tsy manan-kery intsony ny pasipaoro navoaka teo aloha. Ny fampiasana taratasy tsy manan-kery dia heverina ho hosoka sy fisandohana anarana, ka mety hiteraka onitra, famonjana ary fandraràna ny fidirana na ny fipetrahana eto amin’ny Repoblika. Ankoatra izany, voahilika ho azy avy hatrany amin’ny lisitry ny mpifidy ny olona very zom-pirenena, ka tsy manan-jo hifidy na hirotsaka hofidiana intsony, hoy ny fanazavana hentitra. Voarara tanteraka ihany koa ny fandraisana anjara amin’ny hetsika ara-politika, na mivantana na ankolaka, satria tsy manana zo intsony izy ireo amin’ny raharaham-pirenena. Ny fanambarana dia nanamafy fa izay rehetra manandrana miditra na mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblika amin’ny alalan’ny taratasy tsy manan-kery na amin’ny fomba mifanofohitra amin’ny lalàna dia hiatrika fepetra ara-pitantanana sy ara-pitsarana avy hatrany. Milaza io Minisitera io fa manamafy ny fijoroany amin’ny fitandrovana ny lalàna sy ny fiarovana ny sisintany, ary nampahatsiahy fa andraikitra lehibe ny fiarovana ny fahitsiana sy ny maha-ara-dalàna ny fihetsika rehetra eto amin’ny firenena. Toky R

 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap