SAVA mba hanalalahana io sehatra io, ka isan’ny takian’izy ireo ny fanafoanana ny CNV (Conseil National de la Vanille) sy ny fanafoanana ihany koa ny “agrément”, ary hamelana ny rehetra hisera sy afaka anondrana lavanila, ho an'izay manara-dalàna, araka ny fanambaran’izy ireo ny 20 martsa teo. Isan’ny mitarika ity SOS Vanille ity moa ny mpandraharaha Laisoa Jean Pierre na Jaovato, ary voalaza fa ahitana mpamboly, mpanangom-bokatra, mpanondrana,… Manitrikitrika izy ireo mbola tsy foana ary mbola manan-kery ny lalàna 97-046 ny 04 novambra 1997, ao amin'ny andininy faha 8, milaza malalaka ny fihariana lavanila, ka tsy ekena ny famerana ny vidin'ny lavanila, na ny hividianana azy, na ny hamarotana azy, fa ny tolotra sy ny tinady eo amin'ny tsena no mamaritra ny vidiny. Aty Antalaha ny renivohitry ny lavanila maneran-tany, ka aty Antalaha ihany no hametrahana ny dinika sy ny fanapahana goavana rehetra momba ity seha-piharina ity, hoy ny fanambarana. Noho izany, nanome fe-potoana 72ora ny vovonana SOS Vanille hamahana ny olana eo amin'ity fihariana lavanila ity. Tsy an-dohalika intsony hoy izy ireo ny ranom-bary, fa efa an-tenda. Mpamboly sy mpisehatra lavanila 5000 no efa nanao sonia, ary vonona hanao hetsika goavana raha tsy voavaha ny olana, raha ny re avy any SAVA. Tsara ny mampahatsiahy, fa isan’ny fampanantenan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina tamin’ny Propagandy 2018 ny hampiakatra avo telo heny ny vidin’ny lavanila. Ny Faritra SAVA no nahazoany isam-bato ambony indrindra satria 90% latsaka kely tamin’ny fifidianana. Raha 1,4 tapitrisa Ar hatrany amin’ny 2 tapitrisa Ar aneefa ny vidin’ny lavanila masaka tamin’izany, dia zara raha 100 000 Ar hatramin’ny 150 000Ar ny vanila masaka efa vita ankehitriny.
Toky R
Mikolay ireo tantsaha mpamboly sy mpamokatra lodisia any amin’ny kaominina ambanivohitra Vohipeno,
Taratry ny fahapotehan’ny firenena ny Renivohitr’i Madagasikara, izay tena miaina
Somary nafana no sady niantona kely ny ranon’orana teto amin’ny Faritra Analamanga
Rehefa manakaiky toy izao ny volana desambra dia ny fety maro ho avy no hiantefany ny sain’ny daholobe.
Nomena fahafahana hivoaka ny fonja handevina ny zanany lahimatoa