toe-draharaha ara-politika eto, izay ambaran’izy ireo fa lasa loza mandindona ho an’ny tontolon’ny toekarena fa indrindra ny asa. Manamafy ny fitakiana sendika eo anatrehan’ny tsy fanajana sy tsy fanatanterahana didim-pitsarana mikasika ny fanonerana ny fisotroan-dronono, fanerena ankolaka na mivantana ny mpiasa hanao fampielezan-kevitra, fanasaziana ny mpitarika sendika manao fitakiana tsy ara-dalàna,... izy ireo. Tsy mitazam-potsiny ny toe-draharaha politika izay mafampana ary tena iainkinan’ny fiainam-pirenena ihany koa. Milaza noho izany ny SSM fa azo antoka hitondra any anaty krizy lalina hiantraika amin’ny toekarena, mety hiteraka fitsoahan’ny mpampiasa vola, izay hampiakatra ny isan’ny tsy an’asa indray,… ny toe-draharaham-pirenena. Nanapaka araka izany izy ireo araka ny tapaka tao anatin’ny Fivoriambe ny faran’ny herinandro teo, fa mijoro ho elanelam-panahy. Mitaky ny hialana amin’izao krizy izao, ary naneho fa mitovy hevitra amin’ny FFKM, ny Raiamandreny am-panahy, ny mpandraharaha, ary ny Fikambanambe iraisam-pirenena amin’ny tokony hanatanterahana fihaonana an-databatra boribory eo amin’ireo herivelona rehetra eto amin’ny firenena mba hivoahana amin’ny krizy noho izany ny SSM, araka ny fanambarany. Nanao antso ho an’ny Vondrona iraisam-pirenena, ny foloalindahy,ny firaisamonim-pirenena, ny kandida rehetra hiaraka hitarika dinika hitadiavam-bahaoalana ny SSM. Nanome fe-potoana 72 ora ho an’ny mpisehatra rehetra fa indrindra ny fitondram-panjakana, ny miaramila, ny herivelona rehetra mba hifanantona sy hikaon-doha mba hikatsaka vahaolana ho fanavotana ny firenena sy ho fitsinjovana ny mpiasa noho izany izy ireo. Hentitra ny SSM nilaza fa, hiroso amin’ny fanatsaharana tanteraka ny asa manerana ny nosy amin'ny alakamisy raha toa ka tsy miravona ny olona ara-politika misy eto amin’ny firenena. Endrika iray maneho izao, fa tena tafiditra ao anatin’ny krizy politika mialohan’ny fifidianana isika eo anatrehan’ny fitakiana fanadiovana ny kianja politika sy fanjakana tan-dalàna miampy ny famerenana ny fiandrianam-pirenena ho an’ny an-daniny, raha toa miziriziry amin’ny heviny sy miezaka miala bala amin’ny filazana fa fanakorontanana hatrany ny ankilany. Dia tena mbola sahy hilaza ve fa tsy misy krizy eto.
Toky R
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny