airtel

Actualités

26-mars-2025

Marary mafy ao Frantsa i Poon

Lafo ny fitsaboana, miantso tolo-tanana ireo namany

Sample post image

Mila tolo-tanana, marary mafy tampoka ao Frantsa i Poon Ranaivoarisoa na Poon

26-mars-2025

ao amin’ny tarika Gasy Band, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Hisy ny hetsika tolo-tanana ho tontosaina mikasika izany ao an-toerana ny zoma 4 aprily manomboka amin’ny 7 ora hariva, ora any an-toerana, ao amin’ny Lapa event, 8 rue des cerisiers, 91010 lisses. Toy izany koa ny 12 aprily manomboka amin’ny 9 ora alina, ora any an-toerana hatrany, ao amin’ny 26, chemin du pas de la cote, 33140 Villenave d’Ornon. Efa nisy koa ny sabotsy teo ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Tovo J’hay, izay manao fitetezam-paritra any an-toerana, ary isan’ny nanampiana ity mpanakanto misedra olana ara-pahasalamana ity. Ho an’ny eto Madagasikara moa dia ny laharan’ny findain’ny vadiny, Volanirina Helisoa, 0346074751, no azo hanampiana azy, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo hatrany. Lafo ny fitsaboana ho an’ireo vahiny sendra marary tampoka toy izao, hoy ny fanamarihana, ka mahatonga ireo namany miantso tolo-tanana hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-déc-2025

Nanao ampamoaka sy nanazava ny

Card image cap
15-déc-2025

Nisy ny fihaonana ara-panjakana izay

Card image cap
12-déc-2025

Nitsangana ny vaomiera mpanadihady

Card image cap
12-déc-2025

mbola miantehitra amin’ny frantsay»

Card image cap
12-déc-2025

rehefa tsy ampy solaitra ny maro an'isa"

Card image cap
12-déc-2025

Tandindonin-doza ireo tantsaha

Card image cap