ao amin’ny tarika Gasy Band, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Hisy ny hetsika tolo-tanana ho tontosaina mikasika izany ao an-toerana ny zoma 4 aprily manomboka amin’ny 7 ora hariva, ora any an-toerana, ao amin’ny Lapa event, 8 rue des cerisiers, 91010 lisses. Toy izany koa ny 12 aprily manomboka amin’ny 9 ora alina, ora any an-toerana hatrany, ao amin’ny 26, chemin du pas de la cote, 33140 Villenave d’Ornon. Efa nisy koa ny sabotsy teo ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto Tovo J’hay, izay manao fitetezam-paritra any an-toerana, ary isan’ny nanampiana ity mpanakanto misedra olana ara-pahasalamana ity. Ho an’ny eto Madagasikara moa dia ny laharan’ny findain’ny vadiny, Volanirina Helisoa, 0346074751, no azo hanampiana azy, raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo hatrany. Lafo ny fitsaboana ho an’ireo vahiny sendra marary tampoka toy izao, hoy ny fanamarihana, ka mahatonga ireo namany miantso tolo-tanana hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny