airtel

Actualités

31-janv-2023

Actualités

Masoivoho Malagasy any Frantsa Tsy manome fanamarinam-panambadiana ho an’ny mitovy fananahana

Sample post image

Namoaka fanambarana sy fampahatsiahivana ny Masoivoho Malagasy any Frantsa tarihin’Atoa Rija Rajohnson ny 11 janoary teo, fa voafehin’ny lalàna manan-kery laharana 2007-022 tamin’ny 20 aogositra 2007 ny mariazy Malagasy,

31-janv-2023

ary tsy voafaritra ao ny fankatoavana ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana sy ny fahafahana manome ilay antsoina hoe PACS (Certificat de coutume relatif au Pacte civil de solidarité) ho an’izay endri-panambadiana izay. Noho izany, nilaza io Masoivoho Malagasy any Frantsa izao, fa tsy afaka mihitsy hanao fanamarinana mariazy na koa hanome ilay PACS ho an’izay mangataka izany, raha toa ka mitovy taovam-pananahana ireo mpivady mpanao fangatahana. Mihatra io ho an’ny Malagasy rehetra monina any ivelany amin’ny ankapobeny. Na araka ny lalàna, na araka ny soatoavina sy ny kolontsaina, mbola tsy nahazo fahalalahana eto ny fifanambadian’ny olona mitovy fananahana, saingy voarara kosa ny endrika herisetra atao amin’izy ireny, ary misy ny fanentanana samihafa mandeha. Mbola tsy eken’ny maro an’sa any anaty fiarahamonina Malagasy ny fivoizina sy ny fanalalahana an’io na amin’ny endriny inona na inona, saingy efa misy miezaka manasosoka azy tsikelikely ihany moa.

Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap