airtel

Actualités

12-sept-2023

Mba tsy hitarika olana tsy hita navanavana

“Mampaneno lakolosy aloha ny sendika”

Sample post image

Hanatontosa hetsika fanairana anatin’ny ora iray monja ny zoma izao, izany hoe amin’ny 11 hatramin’ny 12 ora,

12-sept-2023

ny sendikan’ny mpiasan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny vola. Miantso ireo mpisehatra anatin’izany manerana ny nosy, noho izany, izy ireo mba hiaraka hiray hina amin’ny fanatanterahana io grevy fanairana io. Misy ny taratasy ataon’ny tomponandraikitra izay milaza fa miasa foana ny minisitera manomboka amin’ny 8ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva ny alatsinainy hatramin’ny zoma. Amin’ny fotoana mahazatra izay. Ny zoma kosa dia andeha ny grevy ary efa saika tafapetraka ny fangatahana alalana rehetra ary ho atao koa izany isaky ny distrika ka manentana antsika namana mpiara-miasa rehetra, hoy ny mpitarika ity tolona ity, Herizo Andrianavalona. Miandry ny fifampiresahana koa izahay satria omena 1 volana sy tapany ny mpiasam-panjakana manomboka any amin’ny minisitera hatramin’ny primatiora, hoy izy. Taratasy mazava no nalefa tany saingy tsy nisy taratasy mazava niverina taty aminay. Fanaovana tsinotsinona anay izany. Grevy noho izany no hataonay tohiny. Takiana voalohany ny mikasika ny sata ankapoben’ny mpiasam-panjakana na “statut général des agents publiques” izay nampirimin’ny praiminisitra ao aminy ao fotsiny. Efa ho 3 volana izay tsy hita niakatra tany amin’ny filankevitry ny minisitra na governemanta. Ny fanjakana ihany nefa no niantso ny sendika hanova io sata io. Efa 2 taona izay no vita ary nandrasana foana isaky ny fivorian’ny antenimieram-pirenena ny mba haha tody azy nefa hatramin’izao, indrisy, fa mbola tsy nivoaka. Rehefa nazoto niandry tanaty 3 taona izahay dia izy indray no lasa vato misakana izany. Ho avy ny fotoam-pifidianana. Izy governemanta iraimanontolo miampy an’ingahy praiminisitra no lasa filoha mitantana vonjimaika ny firenena izao dia heverinay fa izany toerana misy azy ireo izany no tokony handaniany haingana io zavatra io. Faharoa ny resaka fandraisana mpiasam-panjakana ho raikitra. Nanomboka ny taona 2019 koa io no nikatso. Olona maromaro no nijanona fotsiny teo nandritry ny 4 taona. Fahatelo ny fanavahana araka ny laharam-boninahitra izay nikatso hatramin’ny 2019 koa. Fahaefatra ny resaka toerana itantanam-bola izay manahirana ny minisitera amin’ny ankapobeny. Inoana fa ireo fitantanana ankapobeny isaky ny minisitera izay mitaraina noho ny tsy fahampiana olona ka tsy nahavita fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana noho ny hoe betsaka no retirety, ny matin’ny COVID nefa efa nisy ireo 5, 6, 7 taona tsy nisy fifaninanana mihitsy dia nihena izany ilay isan’ny mpiasa ka mijaly ny dikan’izay ilay rafi-pitantanana. Faha 5 moa dia ny famenoana ny fahafaha-mandeha retirety na “complément des indemnités d’installation à la retraite”. Efa tamin’ny aprily 2022 ireo zokiolona ato aminay no nahazo fanapahana tany amin’ny fitsarana, nandresy tanatin’ilay izy nefa mbola tsy nalohan’ny fanjakana ilay volan’izy ireo. Fantatrareo ny herin’izany minisiteran’ny vola izany. Raha sanatria tsy mamoaka vola ny “trésor” na tahirim-bola, Raha izahay ao amin’ny fadintseranana no tsy mamoaka solika sy ny entana rehetra ilaina, raha ny sampan-draharahan’ny hetra no mampikatso ny fampidiram-bola ao anatin’ny tapak’andro fotsiny dia inona no mety hiseho eto amin’ny firenena? Mampaneno lakolosy izahay aloha mba tsy hitarika olana tsy hita navanavana, hoy hatrany ity sendika ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap