airtel

Actualités

13-mai-2025

Mc Donald’s ho ampidirina eto

Ahetry hatrany ny vita malagasy

Sample post image

Taorian’ny KFC izany dia hoavy eto Madagasikara koa ny Mc Donald’s na Mc Do,

13-mai-2025

izay orinasa iraisampirenena amerikanina fanindroany amin’ny hiditra eto misehatra amin’ny sakafo maha voky ho an’ny olona maika na irony antsoina hoe «fast food» irony. Nireharehan’ny filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, izany tao anatin’ny kabariny raha nampahafantatra ny tombony ho an’i Madagasikara rehefa tafapetraka tanteraka ilay toera-mahasarika misy farihy vaovao antsoina hoe Lac Iarivo. Nambarany moa fa ny drafitra na «plan» momba ity fotodrafitrasa vaovao ho apetraka eny Ivato ity fotsiny sisa andrasan’io orinasa io. Ahetry hatrany, araka izany, ao anatin’izao fitondràna izao, raha ny hita tao anatin’izay 7 taona mahery izay, ny vita malagasy sy ny vokatra malagasy amin’ny alalan’ny fampidirana itony mpifaninana faran’izay matanjaka vaovao itony nefa ny famokarana eto an-toerana mampiaiky ireo mpahaitoekarena maro fa mbola tsy mety tafarina akory. Nampidirina ny vary safiotra sy ny vokatra mifanaraka amin’ny fampiroboroboana azy ary lasa mifaninana ho azy amin’ny voka-bary eto an-toerana toy ny vary gasy sy ny tsipala na makalioka. Nampidirina ny KFC dia lasa mpifaninana amin-dry Gastro Pizza ary manampy trotraka izany io koa izao ity Mc Do ity. Tsy hisy intsony koa, raha izao, hoy ny tsikeran’ireo mpanara-baovao ny toerana ho an’ny mofo gasy sy ramanonaka mbamin’ny koban’i Talatanivolonondry. Miala tsiny aminao aho andriamatoa filoha, hoy ny mpikatroka eo anivon’ny antoko politika Leader Fanilo, Hary Razafindrazaka, fa tsy hitondra soa ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny KFC sy ny Mc Do, indrindra, moa fa ho an’ny fampandrosoam-pirenena.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ahiana ny sabotazy goavana taorian’nytenin’ny PRRM

Card image cap
28-juil-2026

Nanome antoka ny ESAAMLG ny Fanjakana Malagasy

Card image cap
28-juil-2026

Tiana ampangaina ho mpamboly

Card image cap
27-juil-2026

Nangatahana ho atao amin’ny teny malagasy

Card image cap
27-juil-2026

Nodimandry ny Kolonely Botomanovatsara

Card image cap
27-juil-2026

Nisy fipoahana tao Ambohimanambola, hoy ny Jirama

Card image cap