airtel

Actualités

08-oct-2026

METFP,

Poste budgétaire 2023-2025

Sample post image

Novahan’ny Fanjakana ny

08-oct-2026

olan’ireo 400 latsaka kely
Voavaha ny olan’ireo mpampianatra sy mpandraharaha tokony horaisina ho mpiasam-panjakana tao anatin’ny « poste budgétaire » 2023 hatramin’ny 2025 eo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa na ny METFP. Nandritra ny fotoana ela no niandrasan’ireo mpiasa maro ny famahana ny raharaha nampiato ny fandraisana azy ireo ho mpiasam-panjakana, taorian’ny fanomezana ireo “poste budgétaire 590” tamin’ny taona 2023. Vokatry ny famahana olana teo ambany fiahian’ny Fitondram-panjakana, izay tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kolonely Randrianirina Mickaël sy ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta, Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana ary ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa tarihin’ny Minisitra Todisoa Andriamampandry, dia nisy fifampidinihana sy ny fandaminana natao tamin’ireo rafitra voakasika, ka voavaha ny olan’ireo 345 efa manana laharana IM, izay mbola mbola niantona niandry ny fahavitan’ny antontan-taratasy sy ny dingana ara-panjakana nahakasika azy ireo. Midika izany fa afaka miroso amin’ny fampidirana ofisialy ireo mpiasa ireo ao anatin’ny asam-panjakana ny Fanjakana, taorian’ny fahavitan’ireo fanamarinana sy fandrindrana rehetra notakian’ny lalàna. Manamafy moa ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP), fa tafiditra ao anatin’ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny loharanon-karena mahaolona sy ny fanajana ny fenitra mifehy ny fandraisana mpiasam-panjakana izao dingana izao. Ankoatra ny famahana ity raharaha ity, namafisina fa hitohy ny ezaka hanitsiana sy handaminana ireo olana mbola misy eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny mpiasam-panjakana. Tanjona amin’izany ny hanamafisana hatrany ny mangarahara sy ny fanarahana ny lalàna amin’ny fandraisana mpiasa, ary koa ny fanatsarana ny fomba fitantanana ao amin’ny METFP mba hahafahana mamaly amim-pahombiazana kokoa ny filàn’ny sampandraharaham-panjakana sy ny olom-pirenena, hoy ny fanazavana. Nihaona tamin’ny Minisitra Todisoa Andriamampandry ihany koa moa omaly ireo « vacataires » avy ao amin’ny faritra Vakinankaratra sy ny solontenan’ny « Collectif National des Vacataires et Bénévoles ». Nisy ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra izay nifantoka tamin’ny fandaminana mahakasika izany ary naneho ny fahavononany izy ireo hanaraka ny fandaminana napetraka ary nanamafy ny fanoloran-tena amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ho tombontsoan’ny tanora Malagasy, hoy ny tatitra.
Toky R

 

Dans la même rubrique

08-oct-2026

hiomanana amin’ny fahavaratra

Card image cap
08-oct-2026

An-dranomaso ny fihaonan-dRavatomanga

Card image cap
08-oct-2026

Haharitra 9ora eo anio,

Card image cap
08-oct-2026

Nivoaka ireo teknisianina 24

Card image cap
07-oct-2026

Mitaky ny hanendrena ny

Card image cap
07-oct-2026

Madagasikara azy any Frantsa

Card image cap