airtel

Actualités

05-juin-2026

METFP sy ny BIANCO

Hiara-hiasa hiadiana ny

Sample post image

kolikoly amin'ny fampianarana

05-juin-2026

Notanterahina omaly 4 jona 2026 ny fanaovan-tsonia ofisialy ny fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa (METFP) sy ny Birao Mahaleotena iadiana amin’ny Kolikoly (BIANCO). Fiaraha-miasa manamarika dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fitantanana tsara rindra, ny fampiroboroboana ny fahitsiana ary ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Nandritra izany no nanolorana ny politika anatiny hiadiana amin’ny kolikoly ho an'ny METFP tarihin'ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry. Amin’ny alalan’izao fifanarahana izao dia manamafy ny fahavononany ny METFP hanangana fitantanan-draharaha mangarahara sy madio, mifanaraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanorenana Vaovao (PGE-R). "Sakana eo anivon'ny fiarahamonina, ny Minisitera, ary ny Firenena ny kolikoly. Tena manahirana raha ny lafiny fanabeazana no misy kolikoly, ary tsy hisy zava-banona eto amin'ny Firenena, ka rariny raha haverina amin'ny hasiny mba hadio, mba hangaraha, na amin'ny fitantanana na amin'ny toe-tsaina ny fampianarana", hoy ny Minisitra Dr Todisoa Andriamampandry. Efa nampiharina ampahibemaso miaraka amin'ny BIANCO amin'ny fandraisana mpiasam-panjakana 250 ny mangarahara, ka rehefa hitan'ny olona fa mangarahara dia manaiky sy mankasitraka izy, tsy misy famingampinganana, hoy hatrany izy nanipika fa tokony ho maodely ny mpitondra. Tsy handeferana ny kolikoly eo anivon’ioMinisitera io. Nanamafy ny Tale Jeneralin'ny BIANCO Atoa Razakamanantsoa Gaby Nestor, fa mifanome tanàna sy mitondra tan-tsoroka ho an'ity Minisitera ity amin'ny politika anatiny hiadiana ny kolikoly. Mitaona ny Minisitera tsirairay hanaraka ny lalàna araka ny andininy faha-6 amin'ny lalàna 2016-020 tamin'ny 22 aogositra 2016, momba ny fametrahana politika anatiny. Adidin'ny Bianco ny manome tan-tsoroka amin'ny fanatanterahana ireo asa fanabeazana sy fisorohana, fahafahan'ny olona manao fitarainana mikasika ny fomba fiasa, fanatsarana,... Hiara-hiasa ny Minisitera hiantohana ny mangarahara amin'ny fandraisana mpiasam-panjakana, fisorohana ny kolikoly, fifanomezam-baovao,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

Fantantsika hatramin’izay fa ny

Card image cap
05-juin-2026

HCC raha mikotrika fanongam-panjakana"

Card image cap
05-juin-2026

ny asa no ifampitsarana!"

Card image cap
05-juin-2026

Voalohany Miisa 31 hatreto ireo Malagasy

Card image cap
05-juin-2026

mifototra amin’ny fahitsiana no tanjona

Card image cap
05-juin-2026

Mitaraina ho tsy voaloa tambin-karama ny mpiasa sasany

Card image cap