airtel

Actualités

23-juil-2021

Actualités

Mgr Odon Razanakolona « Tsy tompon’andraikitra amin’izay mampiasa ny anarany ny fiangonana »

Sample post image

Nisy ny vaovao sy resaka samihafa miely, fa mpanolontsain’ny Arsevekenan’Antananarivo Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona I Paul Rafanoharana,

23-juil-2021

ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay, tao anatin’ny tafika Frantsay fa efa misotro ronono, izay voasambotra noho izy voarohirohy amin’ny raharaha fikatsahana hamono ny Filoha Rajoelina. Volana vitsivitsy lasa aza izay, dia nisy fampahalalam-baovao vahiny nilaza fa isan’ny manohana sy manao fandresen-dahatra na “lobbying” amin’ny hanendrena an’I Paul Rafanoharana ho Praiminisitra ity mpitondra fivavahana ity satria anarana somary nalaza fa isan’ny tsara toerana ho Praiminisitra io mpiara-miasa akaiky tamin’i Andry Rajoelina tamin’ny tetezamita io. Omaly nanao fanambarana manokana, mandiso ny fanononana azy na ny fampiasana ny anarany sy ny fiangonana ny Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. “Ny Ekar, fa indrindra ny Arsidiosezin’Antananarivo, dia mampahafantatra fa manana ny fandaminana manokana izay voafehin’ny “loi canonique” izay lalàna manokan’ny Fiangonana Katolika ary ampiharina araka ny voalazan’ny satan’ny fiangonana katolika eto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo. Araka izany, raha misy olona te hiteny na hanao zavatra amin’ny anarany, dia tsy maintsy manaraka izay voalazan’ireo fitsipi-pandaminana ireo. Noho izany, tsy tompon’andraikitra amin’izay olona mety ho mampiasa ny anarany ka tsy nahazo alalana manokana hanao izany, hoy i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap