Mitohy hatrany ny fahatapahan-jiro mifandimby amin’ny amin’ny tamjotra iraisan’ Antananarivo na ny RIA satria voatery mampiato ny herinaratra mandritra ny adiny iray ka hatramin’ny adiny iray sy sasany eo anelanelan’ny 17h30 sy 21h, arakaraka ny faritra voakasika. Antony ny haavon’ny rano ao amin’ny tohodrano Andekaleka izay mbola ambany ka tsy ahafahan’ny « groupe » efatra miasa. Roa monja amin’izy ireo no ampiasaina amin’izao fotoana izao, ary vokatra manodidina ny 50 MW ihany no azo, raha tokony hahatratra 120 MW raha feno ny fahafaha-mamokatra. Ny « centrale thermique » na ny mandeha solika, dia ampiasaina feno, kanefa mbola tsy ampy ny vokatra hamaly ny filàna amin’ny ora be mpampiasa, hoy ny Jirama. Tombanana ho 15 MW ny banga amin’ny RIA, ka ny delestazy no atao vahaolana. Ny fanatsarana ny toe-draharaha dia kasaina amin’ny alalan’ny « opération de pluie artificielle » ao amin’ny faritra manodidina an’Andekaleka, hoy ny fanamafisana. Araka ny vinavinan’ny Météo dia tokony ho tanteraka izany amin’ny sabotsy, alahady ary alatsinainy. Andaniny, mitohy ilay fanadihadiana parlemantera mikasika ny Jirama, izay navoitran’ny vaomiera Araka ny fanazavana, ka hita tamin’ny dingana voalohany fa maro amin’ireo fifanaraham-piara-miasa nifanaovan’ny orinasa JIRAMA sy ireo mpandraharaha tsy miankina nandritra ny valo taona farany no nahitana zavatra maro tsy ara-drariny sy tsy mifandanjana. Nambara fa ireo fifanarahana ireo no manimba ny JIRAMA ary tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka. Ho fanamafisana ny fanadihadiana dia hiroso amin’ny fidinana ifotony eny amin’ireo toerana famokarana sy famatsiana herinaratra manerana ny Nosy ny Vaomiera, ka miisa 47 ireo toerana voafaritra hotsidihina. Manoloana ny mety ho fiheveran-diso mikasika ny asa ataon’ny Vaomiera mpanadihady, dia nilaza ny Filohan’io Vaomiera io Atoa Pety Rakotoniaina, fa iaraha-mahita fa tsy mahafa-po ny mpanjifa ny kalitaon’ny tolotra omen’ny JIRAMA, nisy kolikoly avo lenta tao ary nisy tompon’andraikitra tamin’izany. Lavina ny filazana fa mitady laza na mijabaka amin’ny ny fahefan’ny mpanatanteraka ny depiote manao izao fanadihadiana izao, hoy ity farany. Na izany aza, tsy vao izao no nandrenesana fanazavana tahaka izany, fa ny andrasan’ny maro izao dia vahaolana mivaingana. Ekena fa mety malefaka kokoa noho ny teo aloha ny fahatapahana, kanefa tsy fanazavana lava no andrasan’ny vahoaka fa vokatra.
Toky R