airtel

Actualités

20-mars-2024

Migrevy ny mpitatitra solika avy any Toamasina

Tandindonin-doza ny famatsiana manerana ny Nosy…

Sample post image

Tsy hiverina hiasa raha tsy havoakan’ny polisy ny namany 𝗠𝗶𝘁𝗮𝗸𝘆 𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗺𝗼𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗮𝗺𝗶𝗹𝘆 𝘀𝘆 ny mpanampy

20-mars-2024

azy 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟬𝟱 𝗶𝘇𝗮𝘆 𝘃𝗼𝗮𝗸𝗮𝘀𝗶-𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼 𝗻y 𝗳𝗶𝗹𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘁𝗲𝗼 𝗮𝗺-𝗽𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆 𝗸𝗮 𝗻𝗼𝘁𝗮𝘇𝗼𝗺𝗶𝗻𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝘁𝗼𝗯𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗽𝗼𝗹𝗶𝘀𝘆 𝗮𝗻𝘆 𝗧𝗼𝗮𝗺𝗮𝘀𝗶𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗻𝗼𝗺𝗯𝗼𝗸𝗮 afak’𝗼𝗺𝗮𝗹𝘆 Alatsinainy 18 Martsa 𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗻𝗱𝗶𝗸𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗶𝘁𝗮𝘁𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗠𝗮𝘁𝗶𝗮𝗻𝗶𝗻𝗮 𝗲𝘁𝗼 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗶k𝗮𝗿𝗮. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpitatitra solika. Nanao fanambarana mihezinezina izy ireo omaly. Ankoatra izay dia takian’izy ireo ihany koa ny hanaovana fifanarahana an-taratasy mazava amin'ny Galana Raffinerie Terminal sy ny Logistique Pétrolier ary ny Tompon'ny Orinasam-pitaterana amin'ny fanajana ny zo maha olona sy ny fanatsarana ny asa eo anivon'ny fitaterana solika. 435 ireo mpitatitra solika nikaon-doha nilaza hampitsahatra ny asany ary tsy hanohy izany intsony mandrapivoakan’ireo namany izay voahidy ao Toamasina ao. Niato nanomboka omaly Talata 19 Martsa araka izany ny fitaterana sy fanapariahana solika mivoaka avy ao Toamasina mandra-pisian'ny fifanarahana mazava.
TANDINDONIN-DOZA NY FAMATSIANA MANERANA NY NOSY
« Mangataka tsy misy fepetra ny fanesorana ireo mpitandro ny filaminana anaty GRT izahay, ary mitaky ihany ny famoahana ireo namanay tazonina tsy misy antony satria aminay dia fanitsakitsahana sy fanaovana tsinontsinona ny zo maha olombelona anay ny zavatra miseho, ary na inona na inona tsy fitovian-kevitra amin’ny fanatanterahana ny asa dia izahay kosa dia tsy natao ho sorona homena ny daka sy totohondry », hoy ireo mpiasa. Miantso ny hanalana ireo mpitandro filaminana anatin’ny GRT ihany koa noho izany izy ireo, ary tahaka izany ihany koa ny « caméra » izay raisin’izy ireo ho fanasokajiana azy ho mpangalatra. Milaza ihany ko aizy ireo fa tsy misy fanajana zon’olombelona ao amin’ny « dépôt » Alarobia. Momba ny solika voalaza fa mihoatra ny refy, dia milaza ireo mpitatitra hoe : tsy hainareo ilay taranja solika, ka mihoatra 2ml no higidragidranareo ny mpamily. 20l izany raha misy ary tsy maintsy misy satria « compteur » ary ny makao anaty citerne dia mandeha « compteur » ka ianareo no manao izany fa tsy ny mpamily, hoy izy ireo. Nanamafy izy ireo fa miato ny asa, ary nampitandrina sao io zava-misy io no handroahana mpiasa fa ho avy amin’ny ambony kokoa, hoy ireo mpitatitra solika. Tandindonin-doza mazava ho azy ny famatsiana solika manerana ny Nosy, izay isan’ny sehatra stratejika sy iankinan-javatra maro. Mety hanome vahana ny Jirama amin’ny valin-teny anatrehan’ny mety hisiana delestazy mahery vaika, izay efa nisy teo amin’ny adin’ny roa teo omaly takariva teto Antananarivo tamin’ny toerana sasany. Tsy nisy aza grevy ireny niaraha-nahita ireny olana ho an’ny jirama, mainka fa izao zava-misy izao. Ny famatsiana solika isam-paritra moa izany mazava ho azy fa mety hisy olana goavana, raha tsy voavaha haingana ity olana ity. Tandindonin-doza sy olana hatrany izany ny Malagasy fa tsy mba misy zavatra mandeha araka izay laoniny mihitsy ?
Pati/Toky R
Legende : Nitsahatra tsy niasa ry zareo itony nanomboka omaly Talata !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mivoatra ny raharaha ady tany ao Amboanara, fokontany Batterie, Kaominina Hell-Ville Nosy Be,

Card image cap
15-mai-2024

Anisan’ireo teboka nitondran’ny eglizy katolika ny fijeriny ny lalàna momba ny famosirana ireo

Card image cap
15-mai-2024

Tanteraka eto ny tena fampiroboroboana ny indostria ety ifotony,

Card image cap
15-mai-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-51 taonany androany 14 mey 2024 ny Tale Jeneralin’ny ARAI

Card image cap
15-mai-2024

lela fa tahaka ny tongo-bakivaky ka sady marary no mahamenatra ity zava-manjo an’i Gasikara.

Card image cap
15-mai-2024

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy hanaovan’ny vadiny herisetra rehefa manda

Card image cap