airtel

Actualités

05-juin-2023

Actualités

Miha mafy ny fahatapahan’ny herinaratra

Sample post image

Ahodinkodina ny serasera, ny tena vahaolana tsy nojerena

05-juin-2023

Mody ventiny ny rano natsakaina, hoy indray ny avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA ny sabotsy teo. Niainga tao Toamasina ny hariva teo ireo kamiao lehibe mpitatitra solika hamokarana herinaratra ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo, hoy indray ny serasera nezahana natao nipoapoaka manaraka. Mbola hisy hafa hanainga ihany koa rahampitso (TTF : ny alahady teo). Noho ireo dingana maromaro tsy maintsy arahina amin'ny fampidinana solika dia ny Alatsinainy izao, izany hoe anio alatsinainy, no azo antoka fa hanomboka hihena ny fahatapahan-jiro mifandimby eto Antananarivo sy ny manodidina. Hitohy andro sy alina ny fampiakarana ireo solika avy ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina ka hahazo ny anjarany ihany koa ireo faritra toa an'i Mahajanga, Toliara ary Antsirabe. Ankasitrahana ny fitondram-panjakana izay soloin'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo tena, tsy nandry andro, tsy nandry alina tamin'ny fitadiavana vahaolana, hoy hatrany ny serasera izay hita ho toa zary lasa mahazatra sy mitady ho lanin’ny mpanara-baovao tsianjery. Azo antoka fa hihena mandritry ny firy volana indray io tiana tenenina fa hihena io? Aiza ihany ilay tena vahaolana tanteraka mihitsy fa tsy hoe maharitra fotsiny? Inona no tena dikan’ilay hoe fanjakana hampitrosa ity orinasa ity? Fa angaha mo izy ity tsy orinasam-panjakana intsony ary ilay fanjakana lazaina fa hampitrosa io angaha moa tsy mbola hananan’ilay orinasa trosa? Hita ho miha mafy hatrany aloha izao ilay fahatapahana herinaratra na delestazy no ilazana azy na izay voambolana ampifamadibadihana ho fialana bala miaraka aminy hafa eo. Hita ho ahodinkodina foana ny serasera fa ny tena vahaolana aloha tsy mbola maha resy lahatra hatreto hoe efa tena nojerena.
VAHAOLANA
Raha azo atao ilay fampiasana ny solika mavesatr’i Tsimiroro (Maintirano) izay mety hahavita mamokatra hatrany amin’ny 100 000 barila isan’andro, mba hampiodinana ireo milina mpihary herinaratra. Ny taona 2008 no efa nahafahana namoaka 2000 barila isan’andro i Tsimiroro, ary efa mis aza amin’izao fotoana ny orinasa goavana any Antsirabe mampiasa ny solika mavesatra avy any hanodinany ireo milina ao aminy. Inona no tsy hanafainganana azy, sa tsy misy olana teknika na politika ve , nahoana no tsy ambara mazava. Tsy azo atao ve ankoatry ny fametrahana ireo « Parc Solaire » ny hanovana tosika Panneaux solaires mora ho an’ny isan-tokantrano sy ho an’ny orinas amadinika sy salantsalany satria ny asa sy ny fiainana tsy afaka miandry ny vahaolana lavitr’ezaka fa mila vahaolana haingana fa efa tena maro loatra ny fatiantoka noho ny delestazy mmaraina atoandro hariva alina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Nandefa taratasy tamin’ireo orinasam-pifandraisan-davitra na « opérateurs téléphoniques »

Card image cap
25-juil-2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

Card image cap
25-juil-2024

Olana mandavan-taona ny Jirama, izay manamafy sy manaporofo ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana Rajoelina.

Card image cap
25-juil-2024

Nofaranana ny talata 23 jolay lasa teo teny amin’ny EPP Ivato Village ny ampahany

Card image cap
25-juil-2024

Maro ireo Malagasy te-hiala mafy amin’ny hofantrano noho ny hasarotan’ny fiainana.

Card image cap
25-juil-2024

Tsy manana fahafahana ny handany volabe hikarakarana trano ny ankamaroan’ireo Malagasy

Card image cap