Fanafoanana tanteraka ny delestazy! Tsy hisy intsony delestazy eto Antananarivo Renivohitra sy ireo Renivohi-paritany, sahiko ny manambara izany ampahibemaso, ary efa tsy nisy intsony tao anatin’ny 6 andro izay”, hoy ity Minisitra ity tamin’izany. Ny zavatra misy, hoy izy, dia fahatapahana matetika, misy io satria misy ny olana teknika, fahatapahana tsy maintsy misy noho ny antony maro samihafa. “Tsy hisy intsony ny fahatapahana noho ny fitsitsiana na “déléstage économique”, fa ny fahatapahana teknika no mety hisy foana satria tampoka eo mety misy milina 2 no indray tsy mandeha kanefa isika tsy manana ambim-bava fa mety 10% fotsiny. Raha milina roa anefa no miala mety hatrany amin’ny 25% ka izany tsy foana tanteraka”, hoy ny fanazavan’ingahy minisitra izany. “Solika no olana teo aloha fa efa voavaha, ary ezahana ihany koa ny famahana ny olan’ny gazoala any amin’ny faritra. Tokony ho voavaha manomboka any amin’ny 15 aogositra any ho any”, hoy io minisitra io, izay nifanandrify tamin’ny fipariahan’ny tataratasy fitakian-trosan’ireo orinasa matihanina amin’ny fitaterana solika na ny APTH mahatratra 13,9 miliara Ar, ka nilazana fa nilamina, ary tsy hisy fahatapahana ny famatsiana solika satria efa vita ny fifampidinihana. Tsy nivalona akory ny herinandro, dia miverina nahery vaika indray ny delestazy. Mbola sahy handainga sy hilaza ihany ve delestazy teknika ny fahatapahana isan-kalina mandra-maraina eto Antananarivo? Manomboka mahery vaika indray ihany koa ny fahatapahana isaky ny atoandro, indrindra tao anatin’ny 3 andro farany, izay manodidina ny adin’ny roa ka hatramin’ny adin’ny efatra na mihoatra aza, ny any amin’ny faritra sasany aza dia misy hatrany amin’ny adin’ny folo. Vahaolana vonjy tavanandro ihany ve ny fahalefahan’ny delestazy tao anatin’ny andro vitsivitsy, fa miverina amin’ny laoniny indray ankehitriny ny olana ara-bola, ara-tsolika,…? Potika sy lasibatra ny seha-pihariana maro noho ny delestazy!Efa betsaka izay fampanantenana izay niainga tamin’ny 400MW tamin’ny 2018…
ANGOVO AMIN’NY HERIN’NY MASOANDRO
Ho an’ny kandida ho Filoham-pirenena Tahina Razafinjoelina, raha hiverenana, dia isan’ny vahaolana narosony hamahana ny olana ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. Ohatra noraisiny tamin’izany ny hoe: raha ny vola naompana tamin’ny teleferika sy ny kianja barea dia mahatratra 480 miliara Ar eo, ahafahana manao angovo amin’ny herin’ny masoandro 160MW izay ahafahana mandrakotra ny sekoly sy hopitaly manerana ny Nosy. Mba ezahina ny atoandro amin’ny herin’ny masoandro farahafaratsiny, ary ny alina no alefa ny milina mandeha amin’ny solika ho an’ny Jirama, izay mampihena ho azy ny fandaniana.
Toky R
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,