airtel

Actualités

25-août-2022

Actualités

Milaza ho mpiasa ambony ao Ambatovy Nahatratra 09 ireo olona nitory azy omaly

Sample post image

Tena efa manao ny fomba rehetra mba hahazoam-bola mihitsy ireo mpisoloky amin’izao. Lehilahy 28 taona monina ao Toamasina no voasambotry ny kaomisaria foibe ao an-toerana omaly.

25-août-2022

Milaza ho mpiasa ambony ao amin’ny orinasa Ambatovy izy ary sahy mitonona fa mahavita mahatafiditra olona hiasa ao amin’izany orinasa izany nefa misy takalony sandaim-bola maromaro izany. Etsy ankilany, milaza ihany koa ity farany fa zanak’olona ambony ao Toamasina kanefa dia diso avokoa izany rehetra izany. Roboka avokoa noho izany izay rehetra mifanehitra aminy noho ny resaka tsara lahatra lazainy. Omaly 24 aogositra fotsiny noho izany dia nahatratra 09 ny isan’ireo olona nametraka fitoriana momba io tovolahy mpisoloky io. Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany izy noho izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap