Isan’ny minainaina hatrany vokatr’izany ny depiote voafidy tao an-toerana tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRD, Andry Ratsivahiny. Omaly dia mbola nanamafy indray ny tenany tao anaty tambazotran-tserasera Facebook-ny fa efa tafahoatra ny ataon’ny orinasa Jiro sy rano malagasy. “O ry Jirama aa! Ny orana avy tsara, ampy rano Andekaleka, ny “groupe” toa manana maro be ihany ianareo? Fa inona no olana e? Ny DG tsy hita. Ny taratasy tsy misy mpanao sonia. Ny tanjona efa fantatra. Ekena ny delestazy fa tsy ampy ny eo an-tanana fa ity efa tena “trop” loatra satria ny tany maina be aza tsy ohatran’izao ny fahatapahan-jiro. Esory any ny DG rehefa tsy hita sy tsy mahavita azy miaraka amin’ny ekipany e! Tsy miteny ihany izahay fa tena trop loatra ity aaa! Ny “sabotage” manginy fotsiny.”, hoy hatrany ity depiote ity omaly.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny