airtel

Actualités

24-nov-2021

Actualités

Minisiteran’ny angovo “Midina 60% ny famokarantsika herinaratra”

Sample post image

Midina 60% ny famokarana herinaratra amin'izao fotoana izao, hoy ny fanambarana navoakan’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Antony maro no nambara fa antony:

24-nov-2021

 hain-tany, mivaivay ny hafanana, mihantona ny orana, ritra ny rano, mihena ny angovo vokarina,… Ireo no vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro ankehitriny, hoy io minisitera io, izay naneho fa mijaly isika satria sady zara raha misy rano ho sotroina no miharitra fahatapahan-jiro matetika ihany koa. Tsara ho fantatsika fa ny doro tanety sy fandripahana ala dia olana goavana miteraka tsy fahampin'ny rotsak'orana izay mahatonga ny rano hiakatra ka afaka hamokarana ny angovo ho tonga any an-tokantranontsika tsirairay avy any. Rehefa tsy misy noho izany ny rano dia mihena ny famokarana herinaratra. Andao hiara-hientana hamboly hazo satria "Tanora mamboly hazo,manan-kialofana rehefa lehibe", fa indrindra "sarobidy ny angovo", hoy hatrany ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Tato ho ato, mitombo ny fahatapatapahan’ny herinaratra, tsy maharaka efa hatry ny ela ny famatsiana rano eny fa zary rano maloto aza no tonga any an-tokantrano raha ny hita tamin’ny faritra sasany teto Antananarivo sy ny manodidina. Ao anatin’ny fotoana main’andro isika mihena 60% ny famokarana, ary rehefa ho avy ihany koa ny fotoanan’ny orana sy andro ratsy, dia mbola ireny no ala-olana amin’ny fahatapahana samihafa, izany hoe : sarotra ny tena ahitana fahatomombanana 100% mandavan-taona. Ireny mety tsy ho azo hialàna firy, fa mbola lesoka hafa ny resaka fitantanana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap