airtel

Actualités

09-oct-2025

Minisiteran’ny jono

«Miato avokoa ny asa rehetra eran’ny Nosy»

Sample post image

Sesilany ny fanambaràna fanohanana ny tolona fanoherana ny

09-oct-2025

tsy rariny eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, na avy amin’ireo sehatra tsy miankina io na miankina amin’ny fanjakàna, raha ny tatitra voaray hatramin’iny omaly iny. Taorian’ny fivoriambe nataon’izy ireo dia namoaka fanambaràna koa ny sendika iraisan’ny mpiasan’ny jono na SEMPIJO, eo anivon’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga fa miara-ory noho ny famoizana aina tamin’ny fitakiana izay nataon’ny tanora sy ireo mpianatra amin’ireo anjerimanontolo manerana an’i Madagasikara ary koa mirary fahasitranana haingana ho an’ireo izay naratra izy ireo. Manameloka ny herisetra rehetra atao amin’ny mpiara-belona na avy amin’iza na avy amin’iza. Manohana tanteraka ny fitakiana rehetra iarahana amin’ny SSM na ny Valaben’ny fiombonana sendikaly eto Madagasikara. Takiana ihany koa ny «Primes» na fankasitrahana na tamin’ny alalan’ny hetra io na tamin’ny alalan’ny famaizana, izany hoe, «sur recettes et sur amandes» izay tokony hisitrahan’ny mpiasa hatrizay saingy tapaka nanomboka ny taona 2015. Ho firaisankina amin’ny mpiasa malagasy rehetra ankehitriny dia manambara ny SEMPIJO fa miato avokoa ny asa rehetra ao amin’ny minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga sy manerana ny nosy ary mampihatra ny antsoina hoe «service minimum» eo am-piandrasana ny valin’ny fitakiana izay natao, hoy hatrany ny fanambaràna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap